Sakafo feno ho an’ny zaza ny nonon-dreny
Fanazavan'ireo manampahaizana momba ny fanjariantsakafo

Akon’ny webinaire – Remapsen, ny 06 Aogositra 2025. Feno otrikaina, ahitana ireo singa mpamelona ilain’ny zaza, miaro azy ireo amin’ny aretina maro sady mampivelatra ny sainy ny rononon-dreny. Nisongadina ireo nandritra ny fanazavan nentin’ny Dr M. Siméon Nanama, mpanolotsaina eo anivon’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny ankizy ho an’ny faritra Afrika Andrefana sy Afovoany sady miandraikitra ny fanjariantsakafo. Novoaboasany nandritra ny fandraisany fitenenana tamin’ny tafatafa an-habaka tamin’ny mpanao gazety ao anatin’ny vondrona Remapsen ny maha-sarobidy ny fampinonoandreny ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny faha-enimbolany. Ampy ny rano ao amin’ny rononon-dreny, noho izany tsy tokony omena rano ny zaza latsaky ny faha enimbolana, eny fa na ireo miaina any amin’ny tany mafana aza. Tsy ny zaza ihany no mahazo tombony fa ny reny koa. Manampy amin’ny fisorohana aretina toy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, homamiadan’ny nono sy aretina hafa ny fampinonoian-dreny ihany ao anatin’ny enim-bolana voalohany ahaterahan’ny zazakely. Voasokajy ho isan’ireo fandrindram-piterahana ara-boajanahary ihany koa.
Ho an’ity taona 2025 ity, ampiasaina ny angano ho fitaovana hanentanana ny olona.
FANAMARIHANA HO AN’ MADAGASIKARA
Marihana manerana an’i Madagasikara manomboka ny Alatsinainy 11 Aogositra – 17 Aogositra ny herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny taona 2025. Lohahevitra voizina ny hoe : “Ndao hametraka rafitra maharitra mba ho laharam-pahamehana ny fampinonoan-dreny”.