Fananahana ara-pahasalamana : Ilaina ny fanabeazana hoy ny tanora
Mahajanga faha, 12 Novambra 2025 – Manaitra ireo tarehi-marika ! Zatovovavy 3 isan’andro no mamoy ny ainy noho ny olana momba ny fitondrana vohoka sy/na ny fiterahana. Mitombo isa ireo tratry ny vohoka tsy niriana. Tsy fantany ny zony ara-pananahana, araka izay voalaza ao amin’ny lalàna laharana 2017 – 043 mikasika ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana. Tanora vitsy tamin’ireo nanatrika ny dinika fifanakalozan-kevitra natao ny 12 Novambra 2025 no efa nahare ny fisian’io lalàna mamaritra ny zo ara-pananahana io. « Fahavoazana azo sorohana no mitranga noho ny tsy fahampian’ny fahalalana sy ny fanabeazana », hoy izy ireo taorian’ny fifanakalozan-kevitra isam-bondrona. Niombon-kevitra ny tanora fa ilaina ny fanabeazana ara-pananahana feno, ny fifampiresahan’ny raiamandreny sy ny zanaka, ny fanatanterahana ny sekolin’ny raiamandreny ary ny antoka ahazoan’izy ireo fahalalana sy torohay feno avy amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana hoy Nomenjanahary Brigitte Florette, antsoin’ny tanoran’i Mahajanga hoe Soumayah. Nambaran’ity tanora avy amin’ny fikambanana FISA ity fa « tena ilaina ny fifanakalozan-kevitra amin’ny olon-dehibe toy izao, indrindra fa solombavambahoaka ireo nanotrona anay androany. Mahita tranga izahay rehefa manao fanentanana ara-pahasalamana eny amin’ny fokontany, ary nozarainay teto ireny olana ireny. Nanampy anay ny fanazavana nentin’ireo parlementera ireo ny lalàna 2017 – 043 mikasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindram-piterahana. » Nambarany hatrany fa « ilaiko ny fanazavana momba ilay lalàna ahafahako mahalala hoe aiza ny alehako ary inona no tokony ataoko manoloana izany lalàna izany. »

Fomba iadiana amin’ny fampitsaharana vohoka antsokosoko ny fanabeazana ara-pananahana feno
Olana maro no miseho rehefa tsy voahaja ny zo ara-pahasalamana momba ny fananahana. Ny fampanambadiana zaza, ny vohoka aloha loatra sy tsy niriana, ary mety mitarika ho amin’ny fampitsaharana vohoka antsokosoko. Voalaza fa vehivavy Malagasy miisa 75 000 isan-taona no manao izany ary an-jatony ny aina afoy vokatr’io fampitsaharana vohoka antsokosoko io. Afenina satria voararan’ny lalàna ny fanatanterahana azy, na inona na inona antony. Ho fisorohana izany rehetra izany no maha-zava-dehibe ny fanabeazana ara-panahana feno hoy Clérin Randriamanana. Nanamafy izy fa « vahaolana amin’ny fampitsaharana vohoka ny fampiharana ny fanabeazana ara-pananahana feno na « Education Complète à la Sexualité (ECS). Misy lohahevitra 7 izay manazava amin’ny tanora ny famindra tokony arahany amin’io sehatry ny fananahana ara-pananahana izany. »
Tsikaritr’ireo tanora mpanao fanentanana eny anivon’ny fokontany fa mitombo ny isan’ny zatovo mitondra vohoka. Etsy ankilany, miakatra mangina ny isan’ny tanora mitondra ny tsimokaretina VIH-SIDA raha ho an’i Mahajanga manokana, manodidina ny 2000 ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina VIH tamin’ireo toeram-pitsaboana 03 dia ny Centre Hospitalier Universitaire ao Androva, ny Centre de Santé Intégré ao Mahabibo sy Sotema.
Manoloana izany, « ilaina ny fanabeazana ara-pananahana feno indrindra ho an’ny tanora miaina lavitry ny tanan-dehibe », hoy Soumayah. « Tokony hanana io fahalalana io koa ny raiamandreny ahafahany manabe ny zanany ao an-tokantrano. » hoy izy nanohy. « Vahaolana arosonay » hoy hatrany ity tanora mpisehatra amin’ny zo ara-pananahana ity « ny fanaovana ny sekolin’ny raiamandreny sy fitohizan’ny fampianarana ny fanabeazana ara-pananahana feno ho an’ny tanora. »
Sokajin’olona maro no hakana hevitra eto Mahajanga nanomboka ny 10 – 14 novambra. Isan’ireny ny polisim-pirenena lehilahy, ireo avy amin’ny Brigade Féminine de Proximité na BFP, ireo avy amin’ny fikambanan’ny vadin’ny polisy, ny tanora ary ireo olona manana fahasembanana. Ao amin’ny efitrano malalaky ny polisy ao Mangarivotra no hanatanterahana ny fihaonana.
Ankoatra izay, midina ifotony koa ireo mpikarakara ny hetsika faobe antsoina hoe « tsy misy fanavakavahana » na « zéro discrimination », ka mihaona amin’ireo fikambanam-behivavy, tanora ary ireo olobe ao an-tanàna. Tao Belobaka, distrikan’i Mahajanga II izy ireo ny Alatsinainy 10 Novambra folakandro teo. Mandrafitra ireto delegasiona ireto ny solombavambahoaka mivondrona ao anatin’ny tambazotra nasionaly ho an’ny rariny ara-pananahana, miisa 16 izy ireo no tonga eto Mahajanga. Miaraka aminy ny ekipan’ny IPAS Afrique Francophone sy ireo mpisehatra ahitana mpiasan’ny fahasalamana sy ny avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny mponina sy ny firaisankina aty Boeny ary ny mpanao gazety misolo tena ny REMAPSEN Madagascar.




