FahasalamanaSosialy

Ampiasaina manerana ny faritra ireo tolo-kevitra voaray

Campagne zéro discrimination

Mahajanga, faha 14 Novambra 2025 – Tolo-kevitra Folo no nivoaka taorian’ny « campagne zéro discrimination » nokarakarain’ny Tambazotra Parlementera Nasionaly mivoy ny rariny ara-pananahana na RPNJR sy ny Brigade Féminine de Proximité na BFP. Hetsika natao teto Mahajanga nanomboka ny 10 Novambra 2025.

Niraisan’ireo vondrona sy fikambanana nanatrika ny hetsika faobe ny hevitra fa tokony ho maimaimpoana ny fanafody momba ny fandrindram-piterahana sy ireo fanafody tena ilain’ny vahoaka. Hapetraka ny toerana afaka mandray an-tanana ny vehivavy, ny fampidirana any an-tsekoly ny fanabeazana ara-pananahana feno, ny fampisitrahana ny vahoaka any ifotony ireo tolotra ara-pahasalamana sy ny fanatsarana ny fandraisana olona eny anivon’ireo toeram-pitsaboana. Hamafisina ny anjara andraikitry ny mpitarika sy olobe eny anivon’ny fiarahamonina ary ampitomboina ny dinika eny ifotony. Hatsaraina ny fampidirana ireo tolotra marolafy ahafahana mandray an-tanana ireo olona niharana herisetra. Tohizana ny fanentanana ny mponina indrindra ny vehivavy mikasika ireo karazana herisetra ary fahafolo farany, hatsaraina ny fotodrafitrasa momba ny fahasalamana sy ny fitaovana ao anatiny. Ny tompon’andraikitry ny IPAS Afrique francophone, Holisoa Ravololomboahangy no namintina ireo teboka 10 ireo nandritra ny lanonana famaranana ny « campagne zéro discrimination » na « hetsika faobe tsy misy fanavakavahana ». Nambarany fa ho entina sy ho ampiasaina mandritra ireo fanentanana hatao manerana ny faritra maro ireo tolo-kevitra sy torohay azo teto mahajanga.

Raha fintinina ; dinika fakan-kevitra niarahana tamin’ny polisy lehilahy, polisy vehivavy, vadina polisy, fikambanan’ny tanora, olona manana fahasembanana ary fidinana tao Belobaka, distrikan’i Mahajanga II sy fijerena ny toeram-pitsaboana misahana ny zo ara-pananahana sy fandrindram-piterahana tao Antsanitia – no  natao nandritra ny « campagne zéro discrimination ». Nisongadina ny fampahafantarana ny lalàna mikasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindram-piterahana, ny fampahafantarana ny zo ara-pananahana, ny fivoizana ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana eo anivon’ny ankohonana ary ny fampahafantarana ny mpanatrika ny momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy ny toerana azon’ny vahoaka atonina raha mahita na niharana trangana herisetra. Mikasika izay, nampahatsiahy ny « coach » ny BFP eto Madagasikara, ny contrôleur générale de police Ny Aina Randriambelo, fa « tsy mampisaraka tokantrano tsy akory ny BFP, fa mandamina ny olanasy mitady ny fomba rehetra hampitsaharana ny hersietra amin’ny alalan’ny fihainoana ireo voakasika sy fanoroana azy ireo ny tokony atao ». Notsipihany fa didian’ny lalàna ny olompirenena rehetra hanao fitorohana trangana herisetra, fitorohana fa tsy fitoriana, hoy izy nanamafy.

Solombavambahoaka miisa 16 no tonga teto Mahajanga tao anatin’ity hetsika faobe ity. Nanatrika teto koa ireo solotenan’ny BFP miisa 13 avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Nifanome tanana ny fitaleavam-paritry ny mponina sy ny firaisankina sy ny avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny fahasalamana faritra Boeny. Olona miisa 418 no nandray anjara tamin’ny hetsika faobe ka vehivavy ny 236. Mpiara-miasa ny tambazotran’ireo mpanao gazety mivoy ny fahasalamana sy ny tontolo iainana na REMAPSEN.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page