Sosialy

Jesosy Kristy irery no sakaiza tena tia sy afaka mamonjy

Asa soa eny amin’ny fonja

Antanimora, faha 15 Novambra 2025 – Nitsidika ny Fonja ao Antanimora ireo fiangonana avy ao amin’ny sektera Ambolokandrina, distrika Mandrosoa. Ankoatra ny fampaherezana ireo voafonja, nanolotra vary milanja 300 kg izy ireo. Nanampy, nampahery ary nitondra am-bavaka ny solotenan’ny fiangonana adevntista tonga teny Antanimora. Nizara ho vondrona telo izy ireo ka ny ampahany voalohany tao amin’ny faritra misy ny lehilahy, ny sasany tao amin’ny faritra misy ny vehivavy, ary ny ambiny nitsidika ireo zaza tsy ampy taona niaraka tamin’ny tanora adventista (JA) avy ao Avaradoha – Distrika Manjakaray.

Ny anabavy Njarasoa no nitondra ny Tenin’Andriamanitra tao amin’ny kartie itazonana ireo vehivavy ka nambarany tamin’izany fa « tsy misy sakaiza tena tia afaka hamonjy anao afatsy Jesosy Kristy irery ihany. »

TANORA ADVENTISTA AVARADOHA NIZARA HAFALIANA HO AN’IREO ZAZA NANIA

Tao amin’ny toerana fanarenana ireo zaza tsy ampy taona no notsidihan’ny tanora adventista avy ao Avaradoha, Distrika Manjakaray. Tao avokoa ireo solotena isan-tsokajy. « Hafaliana tsy omby tratra ny an’ireo zaza tsy ampy taona ireo raha niaraka tamin’ireto tanora ireto » hoy ny tatitra voaray. Toy ny mahazatra, nanolotra sakafo masaka ho azy ireo ny tanora rehefa nifarana ny fotoana.

Tsy manadino ireo mpifatotra ny fiangonana Advantista araka ny hafatra ao amin’ny bokin’ny Hebreo 13 : 3. Hisy vokatra tsara tokoa anie izao fikelezana aina ataon’ny fiangonana izao, hoy ny pastora aumonier miasa eny amin’ny fonja.

Sary sy lahatsoratra : Tovo Olivier

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page