Peace Corps : Omen-danja ny fanabeazana, fahasalamana ary ny fambolena

Antananarivo, faha 14 Novambra 2025 : Vita fianianana ireo mpilatsaka an-tsitrapo Amerikanina miisa 20.
Peace corps andiany faha 61 izy 20 mianadahy ireo. Roa taona ny fe-potoana hijanonany eto Madagasikara. Ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fambolena no sehatra hiasany. Ny Zoma faha 14 Novambra izy ireo no nanao ny fianianany teo anatrehan’ny Ambasadaoro Amerikana eto Madagasikara sy any Kaomoro Claire Pierangelo. Efa nanaraka fiofanana nandritra ny 11 herinandro izy ireo talohan’izao. Fiofanana niompana tamin’ny fampianarana ny taranja teny Anglisy, ny fandrindrana ny lakilasy sy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny teknikam-pambolena maro samihafa. Teo koa ny fifanakalozana ara-kolontsaina hanamafisana ny fahazoan’izy ireo ny kolontsaina Malagasy ahafahan’izy ireo miditra amin’ny fiarahamonina izay handray azy. Samy nianatra ny fitenim-paritra ampiasaina any amin’ny toerana hiasany avy ihany koa izy ireo.
Faritra dimy no hiasan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo « peace corps » ireto. Ireo hisehatra amin’ny fanabeazana dia hampianatra eny amin’ny lisea sy ny sekoly ambaratonga faharoa, hizara teknikam-pampianarana sy hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra namany ary hamorona hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana hanatsarana ny fahazoan’ny mpianatra ny maha-zava-dehibe ny fiarahamonina sy ny andraikitr’izy ireo ao anatin’izany.
Ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo amin’ny sehatry ny fambolena kosa dia hanampy ireo tantsaha amin’ny fampiharana fomba fambolena maharitra, hampiseho fomba fahandroana sakafo sy hamporisika ny fambolena sakafo manankarena otrikaina ary hanampy amin’ny fametrahana zaridaina hambolena isan-tokantrano.
Ny mpilatsaka an-tsitrapo eo amin’ny sehatry ny fahasalamana indray dia hiasa miaraka amin’ny fiarahamonina amin’ny fanentanana amin’ny fanaovana vaksiny sy amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny fidiovana sy ny fanadiovana ny rano sy ny sakafo. Tanjon’izany ny hampianatra ny fiarahamonina momba ny fikarakarana zaza sy ny fahadiovana.

Nambaran’ny Ambasadaoro Pierangelo fa « Eto Madagasikara dia singa manan-danja amin’ny fiaraha-miasa eo amin’i firenentsika roa tonta ny Peace Corps. Manamafy ny fifandraisana eo amin’i Etazonia sy Madagasikara izy ireo ary asehony isanandro fa ny maha-olombelona no mahery lavitra noho ny fahasamihafana izay mety hampizara antsika ».

Ny Tale mpisolo toeran’ny Peace Corps eto Madagasikara David Solomon kosa dia nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fananganana fifamatorana ara-kolontsaina: « Amin’ny maha mpilatsaka an-tsitrapo anareo dia tsy ho ela dia hiaina sy hiasa eny anivon’ireo fiarahamonina manerana an’i Madagasikara ianareo—anisan’izany ny any an-tsekoly sy ny any amin’ny tobim-pahasalamana ary ireo toeram-pambolena. Hanabe sy hanohana ary hianatra ianareo. Ho mpampianatra sy mpianatra isanandro ianareo. Ary amin’ny alalan’ireo fifandraisana hatsanganareo no hahatonga anareo ho taratry ny soatoavina tsara indrindra mampifandray an’i Etazonia sy Madagasikara—ny finoana iombonana fa ny fiaraha-miasa sy ny fiantrana ary ny fifankahazoana no manamafy sy mampandry fahalemana izao tontolo izao. »
Ny taona 1993 no nanomboka niasa teto Madagasikara ireo mpilatsaka an-tsitrapo Peace Corps rehefa nahazo fangatahana avy amin’ny governemanta Malagasy. Manodidina ny 1 700 ireo mpilatsaka an-tsitrapo Amerikana niasa teo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny fambolena. Miaina any anatin’ny fiarahamonina Malagasy izy ireo, mianatra ny fiteny andavanandro sy ny kolontsaina hampiroboroboana ny fifandraisana sy ny firahalahiana. Miara-miasa amin’ny fiarahamonina ireo mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny famaliana ireo filana eo an-toerana hanamafisana ny fifandraisana sy hifampizarana fahalalana ary hametrahana vokatra maharitra sy azo refesina.
MOMBA NY PEACE CORPS
Ny Filoha John F. Kennedy no nanangana ny Peace Corps tamin’ny 1 Marsa 1961. Nandritra ny 60 taona mahery no nampiroboroboan’ny Peace Corps ny fifandraisana sy ny firahalahiana maneran-tany. Maherin’ny 240 000 ireo Amerikana efa niasa tany amin’ny firenena 142 hanamafisana bebe kokoa ny fifankahazoana eo amin’ny Amerikana sy ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano azy. Mpilatsaka an-tsitrapo manodidina ny 3 100 amin’izao fotoana no miara-miasa amin’ireo vondrom-piarahamonina samihafa any amin’ny firenena miisa 60.



