Fahasalamana

Mamonjy aina ny rasazy

Alatsinainy, faha 05 Mey 2025 – Mametraka ho ambony ny asan’ny rasazy ny tahirin’ny firenena mikambana momba ny mponina na UNFPA.

Nataon’ny UNFPA ho laharam-pahamehana ho amin’ny fampihenana ny ny fahafatesan’ny reny ny asan’ny rasazy. Tafiditra ao anatin’ny paikady ampiasain’ity rafitra ity ho an’i Afrika Andrefana sy Afovoany izany, raha ny nambaran’ny taleny, ny Dr. Sennen Hounton. Fanohanana ny governemanta amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fanofanana ny mpiasan’ny fahasalamana, fametrahana lasitra ara-dalàna mifehy ny asan’ny rasazy, ary famolavolana modelina fitsaboana ataon’ny rasazy, ireo no ataon’ny UNFPA raha ny fanazavany. Napetraka ny rafitra handraisana ireo vehivavy mila vonjy maika. Firenena 13 tany Afrika Andrefana sy Afovoany no nampiasana azy io. Ahiana hihemotra anefa ny ezaka natao noho ny fihenan’ny famatsiam-bola toy ny fiatoan’ny USAID. Maro ireo toerana nandraisana ny vehivavy bevohoka no niato. Nisy ireo rasazy tsy nandray karama, ao koa ireo toeram-pitsaboana maro ahiana hikatona, raha tsy hilaza afa-tsy ny any Tchad sy ny tany amin’ny République centrafricaine. Miezaka ny UNFPA kanefa voafetra ny azony atao hoy ny Dr Sennen Hounton. Na izany aza, ohatra azo alain-tahaka ho an’i Afrika ny ezaka nataon’i Burkina Faso, raha ny nambaran’ity tompon’andraikitry ny UNFPA ao Afrika Andrefana sy Afovoany ity.

Mitombo isa ny rasazy miasa ao Burkina faso

Mitombo ny isan’ny rasazy raisin’ny fanjakana alefa miasa manerana ireo firenena io. Nilaza ny ministry ny fahasalamana Burkinabé fa raha toa ka rasazy 1 ho an’ny olona 150 000 no nisy 20 taona lasa izay, ankehitriny, ahitana rasazy ampolony isaky ny hopitalin’ny distrika. Saika ahitana rasazy koa eny amin’ireo toeram-pitsaboana.

Ankoatra izay, nanokana tetibola 12 % ho an’ny ministeran’ny fahasalamana ny fanjakana ao Burkina Faso. Tsy nahena io tetibola io na teo aza ireo krizy samihafa nandalovan’izy ireo. Teo koa ny fanamafisina ny fanofanana sy ny fampianarana. Ary natao maimaimpoana ny fitsaboana ny reny sy ny zaza vao teraka.

Nandritra ny tafa nampitain-davitra niarahan’ny UNFPA sy ny tambazotra iraisan’ny mpanao gazety mivoy ny vaovao mikasika ny fahasalamana sy ny tontolo iainana REMAPSEN no nizarana ireo antotam-baovao ireo. Mpanao gazety afrikanina maherin’ny 40 no nadray anjara ka isan’ireny ny solotenan’i Madagasikara.

 

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page