Fanolanana zaza 06 taona teny imerintsiatosika: Any tsiafahy ilay voampanga
Fikasana hamono olona sy fanolanana zaza latsaky ny 10 taona, ireo ny loham-piampangana an’ity lehilahy voarohirohy tamin’ny fanolanana zaza teny Imerintsiatosika ity. Asa an-terivozona mandrapahafaty no mety ho azony noho ilay vesatra voalohany. Miampy famosirana na castration io sazy mety ho azon’ny voampanga io raha ilay antony faharoa.
Nisongadina ireo nandritra ny tafa nataon’ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, Ramatoa RAKOTONIAINA Narindra Navalona, nanoloana ny mpanao gazety. Nampahafantariny fa nampiakarina « Juge d’instruction » androany i Dawily ilay lehilahy nanolana zazavavikely 6 taona tao Imerintsiatosika. Taorian’izay dia nampiidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy.
Vidéo: Ministeran’ny fitsarana



