Mpividy vaovao : Miisa 432 578 ireo tafiditra anaty lisitra vonjimaika
Antananarivo, 02 Martsa 2024: Misa 432 578 ireo mpifidy vaovao tao anatin’ny lisitra vonjimaika taorian’ny fandinihana isan-taona (RALE) nataon’ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny Fididianana, araka ny fantatra androany 1 martsa.
Nitombo 3,92% ny RALE ary 11 476 414 ny isan’ny mpifidy vonjimaika raha toa ka 11 043 836 no tao anaty lisitra taorian’ny fanavaozana sy nampiasaina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.
Voalohany amin’izany ny faritra Analamanga satria nitombo 112 778 (6,14%) ny mpifidy vaovao.
Manana 20 andro hanamarinana ny anarany ao anaty lisitra ny mpifidy, raha ny lalàna. Mifamatotra amin’ny fokontany tsirairay ary manan-kery raha vao alefa any amin’ny komitin’ny fanisana ny fifidianana (CLRE) any an-toerana ny lisitra, izay mipetraka isaky ny biraon’ny fokontany. Amin’ny 15 mey araka izany no hifarana tanteraka ny fanavaozana lisi-pifidianana, raha ny nambaran’ ny CENI hatrany.
Ity lisitra vaovao nohavaozina ity aorian’ny didim-pitsarana farany no hampiasaina mandritra ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 29 mey, sy amin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly hatao ny 6 novambra.