Tontolo iainana

Fandaharanasa tohanan’ny CEPF, mandray ny atrikasa fanaovana tombana i Madagasikara.

Antananarivo, faha 06 Mey 2025 – Fanaovana tombana antenantenam-potoana ny fandaharanasa miompana amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro amin’ny alalan’ny rohy voahary eto amin’ny ranomasimbe indiana no tanterahana eto Antananarivo ny 06 – 08 Mey 2025. Ny firaisamonim-pirenena no mandray anjara amin’ny fanatanterahana tetikasa eny ifotony raha ny tahiry CEPF – Fonds de Partenariat pour les Ecosystèmes Critiques no mamatsy ara-bola. Ny taona 2021 no nanomboka ny tetikasa ary tsy hifarana raha tsy amin’ny taona 2031, hoy Olivier le Grand, tale mpanatanteraky ny CEPF.

Mitentina 50 tapitrisa $ ny vola ampiasaina ka ny tetikasa ataon’ireo firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fiarovana sy fanomezan-danja ny rohy voahary ho fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro no tohanana. Voakasika avokoa ireo nosy 04 dia i Maurice, Seychelles, Comores ary Madagasikara.  Ny 39 tapitrisa $ amin’io tetibola io no avy amin’ny Fond vert pour le climat, ka ny Agence Française de Développement (AFD) no miandraikitra azy. 10 tampitrisa $ avy amin’ny Vondrona Eoropena (UE) ary 1 tapitrisa $ avy amin’ny « fondation fond clean », hoy hatrany Olivier le Grand.

Tanjon’ireo tetikasa tohanan’ny CEPF ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mponina any ifotony miatrika sy mitantana ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro, hoy Peggy Poncelet, « directrice de subvention » ao amin’ny CEPF. Omen-danja ny tetikasa fampodiana indray ny ala noho izy misintona entona « carbone » toraka izany koa ny fiarovana ny rohy voahary hiarovana ny tany tsy ho kaohan’ny ranomasina, hoy hatrany ny fanazavany.

Mahazo famatsiam-bola betsaka kokoa i Madagasikara

Mitentina 10 tapitrisa $ mahery ny azon’i Madagasikara amin’ity fandaharanasa miompana amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro ity. Zaraina amin’ireo fiarahamonim-pirenena miasa eny ifotony ny vola hanatanterahan’izy ireo ny asa misy fiantrikany mivantana amin’ny mponina hoy Lova Kanto Ravelomanana, solotenan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy na MEDD. Ny ministera no manara-maso ny fanatanterahana ny asa sady mifandray mivantana amin’ny Fond vert pour le climat.

mikendry ny hanamafisana ny fampivondronana ny fahaiza-manao ara-teknika, hisintonana ny mpisehatra ho amin’ny fiaraha-miombon’antoka tsara kokoa ary fanomezan-danja ny famoronana fiaraha-miasa eo an-toerana sy isam-paritra mandritra ny fanatanterahana ireo tetikasa ataon’ireo fiarahamonim-pirenena no tanjon’ny atrikasa atao eto Antananarivo.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page