Pôlitika

Ministra 27 mandrafitra ny governemanta Ntsay

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA 2024-020 

manendry ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta

NY FILOHAN’NY REPOBLIKA,
Arakan ny Lalàmpanorenana ;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2024- 007 tamin’ny 04 janoary 2024 manendry ny
Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta ;
Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta ;
DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA IZAO :
Andininy voalohany. -Tendrena ho mpikambana ao amin’ny Governemanta amin’ny maha :

1. Minisitry ny Foloalindahy :
– Général de Division SAHIVELO Lala Monja Delphin

2. Minisitry ny Raharaham-bahiny :
– Rtoa RASATA Rafaravavitafika

3. Mpitahiry ny Fitombon-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsaràna :
– Rtoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana

4. Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany:
– Atoa ANDRIANTSITOHAINA Naina

5. Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola:
– Rtoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo

6. Minisitry ny Atitany:
– Atoa TOKELY Justin

7. Minisitry ny Filaminam-bahoaka :
– Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala

8. Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra :
– Atoa RAZAFINDRAVAHY Edgard

9. Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana:
– Atoa RATOHIARIJAONA Rakotoarisolo Suzelin

10. Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa:
– Atoa RAZAFIHARISON Andriamanantena

11. Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :
– Rtoa SAHONDRARIMALALA Marie Michelle

12. Minisitry ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa:
– Rtoa RAKOTONDRAZAFY Lalatiana

13. Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka:
– Professeur RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo

14. Minisitry ny Mponina, sy ny Firaisan-kina;
– Rtoa FOMENDRAZA Haingo Elisette

15. Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana:
– Atoa RANDRIAMANDRANTO Joël

16. Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny
Fifandraisan-davitra :
– Atoa RAZAFINDRAMALO Tahina

17. Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo:
– Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier

18. Minisitry ny Asa Vaventy :
– Colonel ANDRIANATREHINA Ndriamihaja Livah

19. Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro :
– Atoa RAMONJAVELO Manambahoaka Valéry Fitzgerald

20. Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana:
– Rtoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana

21. Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana:
– Atoa RAVOKATRA Fidiniavo

22. Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga:
– Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert

23. Minisitry ny Harena Ankibon’ny Tany:
– Atoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier

24. Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :
– Atoa ANDRIAMANANORO Augustin

25. Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena :
– Atoa RESAMPA André Haja

26. Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy :
– Atoa FONTAINE Max

27. Ministra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena:
– Général de Division RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara Andriamitovy

Andininy faharoa – Foana ary tsy manan-kery intsony ireo fepetra teo aloha mifanohitra
amin’izao didim-panjakana izao.
Andininy fahatelo : Nohon’ny hamehana, ary araka izay voalazan’ny andininy faha-4 sy faha6, andalana faha-2 ao amin’ny hitsivolana laharana faha 62- 041 tamin’ny 19 septambra 1962
mikasika ny fepetra ankapobe momba ny lalàna ifampitondrana eto an-toerana sy ny lalàna
iraisam- pirenena ifampitondran’ny isam-batan’olona, dia manan-kery avy hatrany izao didimpanjakana izao raha vantany vao ampahafantarina amin’ny alalan’ny fampielezam-peo na
fahitalavitra, ankoatra ny famoahana azy amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.
Natao teto Antananarivo, ny 14 janoary 2024

Ny Filohan’ny Repoblika,
Andry RAJOELINA
Ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta,
Christian NTSAY

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page