FahasalamanaSosialyTontolo iainana

NpsEnergy : Tranonkalam-pifandraisana teraka tao anatin’ny tetikasa TWENex

Antananarivo, faha 28 Marsa 2025 : Nanamarika ny fanakatonana ny tetikasa TWENex ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny NpsEnergy

Hizarana torohay, mampifandray ireo mpisehatra amin’ny lalam-barotra momba ny fanodinana ny fako ho angovo madio ary hampiroborobo ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo mpisehatra ny tranonkalam-pifandraisana na vovonana ara-kajy mirindra antsoina hoe NpsEnergy. Hita ao anatiny ireo antontanisa maro mikasika ny fampiasana angovo madio sy ireo antotan-kevitra momba izany. Mampifandray ny seha-pikarohana, ahitana ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, ny mpampianatra mpikaroka, ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana ary ireo mpamatsy vola. Tohizana ny fanatsarana sy fikarakarana ity vovonana ity ka ny AIDES développement no hiantoka izany raha ny nambaran-dRtoa Sitraka Hariniaina Rakotoarivony. Fotoana nahafahan’ireo mpisehatra nanenho ny heviny mikasika io fitaovam-pifandaisana io koa tamin’ny Zoma teo. Nanoso-kevitra fanatsarana sy fampivelarana ny NpsEnergy ireo nandray anjara fitenenana.

Tratra ny tanjona hoy ny tompon’andraikitra

Natao ho azon’ny rehetra ho ampiasaina ireo antotan-kevitra sy torohay nangonina tao anatin’ny 02 taona niasan’ny tetikasa TWENex. Antotam-baovao ilaina amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra na ho an’ny fanjakana, na ny sehatra tsy miankina ary koa ireo mpamatsy vola. Nisongadina ny fametrahana ireo fenitra ho an’ny charbon écologique sy ny briquette non carbonisée. Niara-niasa tamin’ny Bureau des Normes de Madagascar sy ny Ministeran’ny angovo ary ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD) ny tetikasa tamin’ny fametrahana ireo fenitra ireo. Tanjona ny hampivelarana ny fampiasan’ny Malagasy ireo vokatra ireo hasolo ny arina fandrehitra sy kitay. Voalaza mantsy fa mbola ny 90% n’ny tokantrano Malagasy no mampiasa ny saribao sy kitay izay fositra mampirongatra ny fahapotehan’ny ala, hany akora fototra azo ampiasaina. Ho an’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny vaomieran’ny ranomasimbe indiana na COI, nilaza ny solotenany fa « nahafinaritra ny mahita fa nahitam-bokatra azo tsapain-tanana ny ezaka natao teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny tetikasa TWENex notarihan’ny AIDES Développement. » Nambarany fa zava-dehibe ho azy ireo ny fanohanana ireo firenena tahaka an’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina. « Eto indrindra izahay hanohana ny politika sy ny paikady momba izany » hoy izy nanohy.

Angovo madio, fanoitra ho amin’ny fampandrosoana, antoky ny fahasalamana

Nampalahelo ny vaovao niseho tsy ela izay, hoy ny solotenan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy raha nilaza ny fahafatesana vokatry ny fifohana entona avy tamin’ny fatana saribao ny tenany. Tsy vitan’ny manimba ny ala sy mitarika ho amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ihany fa koa miantraika amin’ny fahasalamana ary mety hahafaty ny fampiasana ny arina saribao. Ezaka ataon’ny fitondram-panjakana manoloana izany ny fitadiavana vahaolana hanodinana ny fako ho lasa angovo madio ho fiarovana ny tontolo iainana. Voalaza fa efa manana tondrozotra ho an’ny angovo madio ao anatin’ny 10 taona ny MEDD hitantanana ady amin’ny ny fako sy ny loto. Asa atao ankehitriny ny fanodinana ny fako ho biogaz ka etsy Alakamisy Fenoarivo no ahitana ny « bio digesteur » iarahana miasa amin’ny kaominina. Dingana manaraka ny hanapariahana azy io manerana an’i Madagasikara.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page