ENMG : OMEN-DANJA NY LALANA MOMBA NY TONTOLO IAINANA

Antananarivo faha 02 Jona 2023 – Voatolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo fandaharam-pianarana mikasika ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko zava-miaina sy sarobidy ary ny mikasika ny famotsiam-bola
« Fandaharam-pianarana na module vaovao izao ampidirina ao amin’ny lalam-piofanana ho an’ny mpitsara sy mpiraiki-draharaha izao » hoy Ramarolahihaingonirainy Anthony, tale jeneralin’ny sekolim-pirenena ny mpitsara sy mpiraiki-draharaha. « Tsy tafiditra tao anatin’ny fandaharam-piofanana iraisana ny mikasika ny tontolo iainana hatrizay, na io teny anivon’ireo oniversitem-panjakana na teny amin’ny tsy miankina ». Mbola ny « droit commun » sy ny « droit privé » no ianarana. Tsy mahagaga raha nanano-sarotra ny mpitsara ny fitsarana ady heloka ara-tontolo iainana, hoy hatrany ny fanazavany. « tsy tokony ho menatra ny hianatra zava-baovao ny mpitsara » hoy ny antso nataony manoloana ireto « module » vao natolotra ho ampianarina eny amin’ny ENMG ireto.
FIARAHA-MIOMBON’ANTOKA TEO AMIN’NY TSY MIANKINA SY NY FANJAKANA ARY IREO MPAMATSY VOLA
Tetikasa notohanan’ny USAID, niarahana niasa tamin’ny WWF, TRAFFIC, AVG ary ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana toy ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ary ny Bianco no nahazoana namoaka ireto fandaharam-pianarana miisa 03 ireo. Iaraha-manaiky, hoy ireo nandray anjara fitenenana, fa miakatra ny filàna harena voajanahary an-tsokosoko, na eto an-toerana na any ivelany. Tsy afa-misaraka koa anefa ny raharaha fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena sy ny kolikoly ary ny fivezivezen’ny vola maloto. Manana anjara toerana amin’ny fisorohana sy fiatrehana izany ny mpitsara. Fitaovana omena azy ireo ahafahany manao ny asany araka ny fenitra iraisam-pirenena no voavolavola. Ankoatra ireo mpianatry ny ENMG, efa aparitaka amin’ireo mpitsara am-perinasa ireto antotan-kevitra fiofanana telo sosona ireto. Nanambara ny tale jeneralin’ny USAID eto Madagasikara fa “dingana iray lehibe eo amin’ny fiarovana ireo karazana zava-manan’aina dia “espèce sauvage” ity tontosa ity.
FANAVAOZANA EO ANIVON’NY ENMG
Taorian’ny fandinihana ny fomba fampianarana manoloana ny fihazakazaky ny fivoarana, saika manerantany, nandray fanapahan-kevitra ny sekoly ambony ENMG fa ampidirina ireo fandaharam-pianarana “module” vaovao, ampitomboina ny ora hianarana lohahevitra manokana ary velarina kokoa ny fotoana hianaranasa ho an’ireo mpianatra ho mpitsara. Amin’ny ankapobeny, ora 08 no atokan’ny ENMG hampianarana ny “module”iray. Mihoatra izay kosa ny natokana ho an’ireto taranja 03 vaovao ireto. Nomena ora 10 ny taranja ady amin’ny kolikoly, 16 ora ny ady amin’ny kolikoly mikasika ny fanondranana zava-manan’aina sarobidy ary 14 ora ny ho an’ny ady amin’ny fivezivezen’ny vola tsy ara-dalàna.
Mandray anjara amin’ny fampitana ny fahalalana ho an’ireo mpianatra ho mpitsara ny BIANCO. Amin’ny endrika seminera adin’ny 2 – adin’ny 4 no hitondrana ny fampianarana, raha ny fanazavana voaray ihany. Nilaza koa ny solotenany fa mifanaraka amin’ny fandaharam-pianarana iraisam-pirenena ireto “modules” ho ampiharina eny amin’ny ENMG ireto.
Dingana maro no nolalovana vao tonga tamin’ny famoahana ny tari-dalana enti-mampianatra. Tamin’ny taona 2019 no navoaka teny anivon’ny ENMG ny tari-dalana fampianarana mikasika ny lalàna ara-tontolo iainana. Ny taona 2021, niditra ny tetikasa novatsian’ny USAID. Nisy ny fakan-kevitra sy fampahafantarana ireo mpitsara nanerana ny faritra maro teto Madagasikara ny momba ny lalàna ara-tontolo iainana. Novolavolaina ireo taranja telo vaovao. 02 Jona 2023, voatolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo “modules de formation” anakitelo. Fotoana natao tetsy Alarobia Antananarivo. Dingana manaraka hatrehan’ny sekolim-pirenena ny mpitsara sy mpiraiki-draharaha ny faavaozana tanteraka ny fandaharam-pianarana ho fiofanana ambony kalitao sy mifanaraka amin’ny fitakian’ny asa sy ny fivoaran’ny fiarahamonina.




