Fahasalamana

Ny fananahana ara-pahasalaman’ny zatovo sy ny tanora

Zo ara-pananahana

Azo lazaina fa tena mponina tanora tokoa ny Malagasy. Amin’izao fotoana izao raha 26 tapitrisa ny isan’ny mponina eto Madagasikara dia ny 50 % tanora avokoa latsaka ny 15 taona. Izany dia midika fa firenena manana adidy sy andraikitra I Madagasikara manoloana izany mponina tanora izany eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny maha-olona azy ireo.

Ny fiainan’ny zanak’olombelona dia mandalo vanim-potoana toy izao : ny fahazazana, ny fahazatovo, ny fahatanorana, ny fahalehibiazana ary ny fahanterana.  Andeha ary ho resahintsika ny mikasika ireo zatovo sy tanora.

NY DINGAM-PIAINANA LALOVAN’NY ZATOVO

Ny fahazatovo dia manomboka eo amin’ny faha-10 taona hatramin’ny faha-15 taona. Io ny fotoana miala amin’ny fahazazana ka mankany amin’ny fahalehibeazana ahitana fiovana manan-danja na ny fahamaotiana.

Ny fahatanorana indray dia eo amin’ny faha-15 hatramin’ny faha-24 taona. Tsy tokony hatao tsirambina io androm-pahatanorana io fa anisan’ny sarobidy eo amin’ny fivelaran’ny fiainana maha-olona. Eo indrindra no miseho ny fiovàna lehibe ara-batana, ara-tsaina, ara-piontanam-po ka ahatarafana ny toetra amam-pihetsika ara-pananahana enti-miaina izay mety hahomby ary koa nefa mety hahiana na hampidi-doza mihitsy.

Matetika dia fahavoazana no mitranga eo amin’ny tanora maro an’isa mandritra io vanim-potoana io satria tsy voafehiny ny tontolo manodidina azy. Ohatra ny fisehoan-javatra sy ny trangam-piainana tsy mirindra eo anivon’ny fianakaviana, ny zavatra hita eo anivon’ny fiaraha-monina, sy ny sisa…

Na any ambanivohitra na aty an-tanan-dehibe dia mihamazo vahana ny fahavoazana mianjady amin’ny tanora. Ho jerentsika ary ny trangan-javatra mety miseho eo amin’ny fiainan’ny tanora mikasika ny fananahana ara-pahasalamana.

FAMARITANA NY ATAO HOE “FANANAHANA ARA-PAHASALAMANA”

Ny fananahana eo amin’ny lahy sy ny vavy (sexualité) dia fanehoana ny maha izy ny tena. Izany hoe ny fitambaran’ny mampiavaka (ara-batana), ny toetra amam-pihetsika hahafan’ny olona mivelatra eo amin’ny fiaraha-monina maneho izay maha izy ny tena.

Ny fananahana dia manomboka amin’ny fahaterahana ka hatramin’ny fahafatesana.  Miseho amin’ny tena mandritra ny androm-piainana izany amin’ny maha-olona feno.

Ny  taovam-pananahana (sexe) dia teny entina hanavahana ny lahy sy ny vavy. Lafiny ara-batana ihany izany.

IREO DINGAM-PIVELARANA NY OLOMBELONA EO AMIN’NY FANANAHANA

  • Fahatorotoroana any an-kibo ny zaza dia efa misy dingana amin’ny fiforonan’ny taova isan-karazany, ny fivoaran’ny atidohany)

 

  • Fahaterahan’ny zaza hatramin’ny faha telo taona : ny faneken’ny fianakaviana ny maha lahy na maha vavy ary apetraka any anaty sora-piankohonana izany ; mamantatra tsikelikely ny maha lahy na maha vavy azy ny zaza (milalao fiarakodia, milalao saribakoly, …)

 

  • Telo taona hatramin’ny fito taona : mitombo saina ny zaza. Mirona sy tia ny rainy ny zanaka vavy ary amin’ny reniny ny zanaka lahy (complexe d’Oedipe)

 

  • Fito hatramin’ny folo taona : eo no miantomboka ny fivelarany mankany amin’ny olona tsy mitovy taovam-pananahana aminy, eo anivon’ny fiarahamonina

 

  • Folo hatramin’ny 15 taona : miova ny toe-batana, mitady fahaleovantena sy mahavita tena, tsy dia mihaino loatra ny ray aman-dreny (crise d’adolescence)

 

  • 15 hatramin’ny 19 taona : Ary fomba ny taovam-pananahana, afaka manan-janaka na mety ahiana ; betsaka ny fakampanahy ho amin’ny toetra sy fihetsika mampidi-doza

 

  • 19 hatramin’ny 25 taona : mihamatotra sy olon-dehibe ; mianatra ho tompon’andraikitra ; mihatony ny toetra misamboaravoaran’ny maha zatovo

 

  • Mihoatra ny 25 taona : efa olon-dehibe mahafantatra ny tokony hatao hitondrana ny fiainana. Afaka mieritreritra ny haka vady raha hiditra amin’izany. Mitady asa amin’izay koa fa nahavita fianarana

 

  • 60 taona : fiatrehana ny fahanterana

 

FEHINY

Ny fananahana eo amin’ny lahy sy ny vavy dia tsy hoe zavatra ratsy na mahamenatra fa tena lalam-piainana manaraka ny tena, manomboka eo am-pahaterahana ka mandra-pahafaty. Noho izany, dia tsara ny hiresahana azy amin’ny fomba mendrika sy mahitsy mba tsy hanaonao foana amin’ny andron’ny fahatanorana.

Ilaina amin’izany ny mandamina ny fotoana hifampiresahana ary ho tony (tsy mitratrevatreva na fampitahorana na mamelively). Vonona ny hanome valinteny mahafapo ary mahay mandray ny tanora.

Dia manantena fa hahay hampita ny mikasika ny fananahana ny ray aman-dreny, ny mpanabe rehetra ary vonona ny hanovo fahalalana ny  tanora

Ny Mpanabe Ratsimba Gisèle

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page