Médias #PourLesAiresProtégées andiany fahatelo
Bourse de reportage ho an'ny mpanao gazety

Raikitra indray ! Médias #PourLesAiresProtégées andiany fahatelo.
Misokatra ny fifaninanana ahazoan’ireo mpanao gazety misitraka fanohanana ara-bola sy ara-kevitra ahafahany manatontosa fanadihadiana any anaty faritra arovana. Manana fotoana hanomanana ny antota-taratsiny ireo liana hisitraka ny fanohanana satria ny 11 Febroary 2026 vao hikatona ny fanaterana izany. Niakatra ny tohana ara-bola tamin’ity andiany fahatelo ity satria nampitomboin’ny Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar (FAPBM) ho 4 tapitrisa ariary izany. Mpanao gazety 04 no hahazo ny fanohanana ka afaka mandray anjara avokoa ny sokajy rehetra : Radio, Mpanao gazety an-habaka, Fahitalavitra ary gazety an-tsoratra. Homena olona matianina hanampy azy na « mentor » ireo tafavoaka mpandresy. Tanjona ny hamoahana vokatra tsara kalitao araka ny fanazavan’i Rindra MIARIVOLOLONA, misahana ny serasera ao amin’ny FAPBM
Lohahevitra iompanan’ny fifaninana ny hoe « 20 ans des financements des aires protégées à Madagascar, une source de vie et de développement pour les communautés ». Nosafidiany io lohahevitra io satria « mankalaza ny faha 20 taona namatsiana vola ny faritra arovana ny FAPBM amin’ity taona ity. Loharanon’aina ho antsika rehetra ny faritra arovana. Avy any no mivoaka ny rano, ny biby sy zava-maniry ahazoantsika rivotra madio. Miteraka fatiantoka ny fahapotehan’ny faritra arovana, mihena ny rotsakorana, miha-ritra ny ala, ary misy akony amin’ny famatsiana herinaratra izany. Misy mponina mipetraka manodidina ireny faritra arovana ireny, ka mampiakatra ny fari-piainany ny fanohanana ny faritra arovana », hoy Rindra Miarivololona.
Afaka mitsidika ity rohy ity ireo mpanao gazety liana amin’ny fifaninanana ahazoana famatsiam-bola hanatanterahana fanadihadiana any anaty faritra arovana. www.fapbm.org/appel-doffres/
Miara-miasa amin’ny FAPBM mandritra ity fifaninanana bourse de reportage andiany fahatelo ity ny Tambazotra iraisan’ny mpanao gazety REMAPSEN Madagascar sy ny Malagasy Brand Communication.



