Fahasalamana ara-pananahana : Mitondra fanazavana ny tompon’andraikitra
Drafitrasa nasionaly momba ny fahasalamana ara-pananahana
Antananarivo, faha 13 Janoary 2026 – Nankatoavin’i Madagasikara ny drafitrasa Nasionaly momba ny fiovam-pitondrantena sy fiovana eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny fahasalamana ara-pananahana, fahasalaman’ny reny, ny zazakely, ankizy sy ny zatovo ary ny fanjarian-tsakafo.
Drafitrasa natao handrakotra ny taona 2026 – 2030. Tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny fianakaviana ireo karazan’olona iantefan’ny drafitra ireo araka ny fanazavan’ny Talen’ny Fitaleavana misahana ny fahasalaman’ny fianakaviana, ny Dr Rajaobelina Miary Toky herindrainy. Mifampiankina ny fiainany sy ny fahasalamany ka ny tsy fanjarian-tsakafo no anisany sakana ho amin’ny fitomboana ary hiteraka voka-dratsy eo aminy fahasalamana. Tanjon’ny fampitambarana ireo kinendrin’ny paikady voasoritra anaty drafitrasa nasionaly ireo koa ny fampitambarana ny asa hataon’ireo mpisehatra rehetra, na ny avy eo amin’ny ministeran’ny fahasalamana na ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika. Hisorohana ny fizarazaran’ny asa ny fametrahana azy io mba ahazoana vokatra mivaingana sy misy fiantraikany, hoy hatrany ny fanazavana.
Antony mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana
Raha jerena ireo tondro samihafa, voamarina fa vitsy ny Malagasy mahalala ny fitondrantena tokony ataony manoloana ny zo sy fahasalamana ara-pananahana. Maro ireo tsy mahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fanatonana toeram-pitsaboana. ambany ny tahan’ny reny bevohoka manatona toeram-pitsaboana. Ny 27% n’ny vehivavy bevohoka ihany no nanomboka fizaham-pahasalamana tao anatin’ny telovolana nitondrany vohoka, tatitra azo avy amin’ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana EDS 2021. Tsy ampoizina anefa ny zavatra mety hiseho mandritra ny fiterahana, ilaina noho izany ny fiterahana any amin’ny tobim-pahasalamana ka mpitsabo voaofana ho amin’izany, toy ny rasazy no mampiteraka, hoy Dr Toky Rajaobelina. Isan’ireo antony nanosika ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika nandrafitra sy nankatoa ity dafitrasa nasionaly ity ireo zava-misy ireo.
Antony mahakasika ny fandrindrana fiainam-pianakaviana
Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny fitondram-panjakana entina hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny ny fandrindram-piterahana. Zo fototra koa ny misafidy izay fomba hitantanana ny vatana sy ny fahasalamana. Mbola maro ny sakana. Hatramin’ny taona 2017, manan-kery ny lalàna mikasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana, mitondra ny laharana loi 2027 – 043. Mazava ny voambara ao anatiny mikasika ny zo hisafidy hanao fandrindram-piterahana na tsia ary tsy an-tery na avy amin’iza na iza, saingy tsy izay ny zava-misy eny anivon’ny fiaraha-monina. Ahitana olana matetika any an-tokantrano. Raha misy renim-pianakaviana maniry hanelanelana ny isan’ny zaza haterany ohatra. Tsy tompon-tsafidy izy. Olana mbola fahita koa ny fandavan’ny mpiasan’ny fahasalamana hanome vaovao sy tolotra ho an’ny tanora maniry hisitraka izany. Amin’ireo karazany ireo, voadika ny lalàna.
Manoloana izany, nankatoavina ity drafitrasa mirakitra paikady nasionaly ity ho ampiasaina hanovàna ireo olana sy sakana samihafa ireo ka tanjona ny hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny, ny vohoka aloha loatra sy tsy niriana ary ny fampitsaharana vohoka an-tsokosoko. Paikady hampahomby ny ezaka koa ny fanjarian-tsakafo ka tsy azo nosarahina tamin’ity drafitrasa nasionaly ity.



