Fahasalamana

Fahasalamana ara-pananahana : Miantso fitovian-jo ireo manana fahasembanana

Betsaka ny diso hevitra, tsy vitsy ireo manana hevi-draikitra mikasika ireo olona sembana. Manakana ny fisitrahany ny zony ny fiheverana toy izany.

Sakana amin’ny fidirana eny anivon’ny toeram-pitsaboana, noho ny fotodrafitrasa tsy mifanaraka amin’ny toe-batan’ireo sokajin’olona ireo, eo koa ny tsy fiheveran’ireo mpiasan’ny fahasalamana ny filan’izy ireo ka tsy ahafahany manatanteraka ny safidiny fa voatery miantehitra amin’ny hafa. Santionany ireo hoy Raharivelo Lala, filohan’ny fikambanan’ny vehivavy sembana misahana an’Antananarivo. Tsy manaranaka ny fahasembanana, hoy hatrany ny fanazavany. Renim-pianakaviana efa nahalahibe ny zanany izy ary mijoro vavolombelona fa afaka manorina tokantrano izy ireo, arakaraka ny toe-batany.  Ady sisika ataon’ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara ny hisitrahany feno ny zony. Manana safidy toy ny olona rehetra izy ireo, indrindra ny fitandroany ny fahasalamany, hoy Lalatiana Ratompoarimanana, mpitantsoratra eo anivon’ny fikambanana. Tsy vesatra ho an’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina izahay, hoy ireto mpitarika ireto. Mila fanohanana avy amin’ny fianakaviany sy ny fiaraha-monina, indrindra fa ny fanjakana anefa izy ireo amin’izany.

Ny 15 jona 2015, i Madagasikara no firenena faha-155 nanao sonia sy nankatoa ny Fifanarahana Iraisampirenena momba ny Zon’ny Olona Manana Fahasembanana. Voalaza ao amin’ny andininy fahadimy ao anatin’io fifanarahana iraisampirenena io fa « Andraikitry ny Fanjakana ny mandray fepetra ho fandraràna ny fanavakavahana mifototra amin’ny fahasembanana ary mampihatra ny fanajariana voalanjalanja araka ny filàna. » ny andininy faha 23 kosa no milaza fa « Toy ny olona rehetra, ny olona manana fahasembanana dia manana zo :

hanambady sy hanorina tokantrano araka ny safidiny ;

‐ hiteraka sy handrindra ny fiterahany ;

‐ hitaiza ny zanany.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page