Fanofanana arakasa : Namoaka ny andiany mirindra ny CFPS

Antananarivo, faha 05 Septambra 2024 – 07 mianadahy no nahazo ny mari-pahaizana avy amin’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy fiofanana arakasa rehefa nahavita fiofanana nandritra ny 03 ka afaka ny fanadinana ara-panjakana.
Tao amin’ny Centre de Formation Professionnelle Soamanandrariny CFPS no niofana izy 07 mianaday. Lalampiofanana patisserie sy cuisine no niofanany. Nahavita hatramin’ny farany ireo module miisa 18 sady tafita tamin’ny adina an-tsoratra sy am-bava ary ny fampiharana izy 07 manadahy. Ny solotenan’ny ministera no tonga nanolotra ny mari-pahaizana niaraka tamin’ireo mpitantanasa 03 mirahalahy avy eo amin’ny Federasiona Adventista Madagasikara afovoany na FMC, notarihan’ny filohany, ny pastora Andriamparatiana Fanera. Hafatra nampitana ho azy ireo ny voarakitra ao amin’ny Mpitoriteny 11 :1 manao hoe: Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela. Samy nanamafy io andalan-teny io avokoa ireo rehetra nandray anjara fitenenana tamin’ny fandrisihana ireto andiany MIRINDRA ireto mba hiditra amin’ny fampiharana ny fiofanana, hisehatra amin’ny tontolon’ny asa ka ho mpandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Faniriana, hoy ny pastora Fanera ny mba hahavita be eo amn’ny asa fandraharahana, hampitombo ny fahaiza-manao ka hioty ny vokatra ireo 07 mianadahy navoaka androany.
MIVELATRA AMIN’NY ARA-PANAHY
Mampiavaka ny CFPS ny fanofanana arakasa ho fampivoarana ny fiainan’ny mpiofana mandalo ao aminy. Tsy nionona tamn’io lafiny io ny « centre » raha ny nambaran’ny taleny, Arimno Rabeninary. “Mitaona ny mpiofana hfantoa amn’ny ara-panahy oa zahay” hoy izy nanazava. “Iaraha-mahita ankehitriny fa efa very ny soatoavina maha-Malagasy. Miha-rava ny firaisankina, noho izany no isany itarihana ny mpiofana hametraka ny fiainany amin’Andriamanitra”, hoy hatrany ny fanazavany. Manampy ireo mpiofana koa ny ivontoerana amin’ny fanomezana azy ireo toerana ahafahany manao fampiharana mialoha ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana.
Miandrandra fiaraha-miasa misimisy kokoa amin’ny ministera izahay, hoy kosa ny mpitantanasa ara-bola eto amin’ny FMC, Herinjanahary Jean Aimé, raha nandray anjara fitenenana ny tenany. “Manana ny maha-izy azy ny centre. Manana anjara biriky eo amin’ny fampandrosoana ny mahaolona”, hoy izy nanamafy. “Sampanasa ao anatin’ny fiangonana adventista sady mitsinjo ny vehivavy sy ireo vonona hotra eo amin’ny fiainana ary maniry ihany koa ny fanampiana avy amin’ny ministera mpiahy” hoy atoa Herinjanahary namarana ny anjara fitenenany.
TANJONA LAVITREZAKA
“Ambony ny tanjona apetraka” hoy I Laingo, tanora nahazo ny naoty ambony indrindra tamin’ny andiany MIRINDRA. Ankoatra azy, niombom-peo ireo nohadihadiana fa hiditra eo amin’ny sehatry ny asa mialoha ny hananganana orinasal ho an’ny tenany manokana. Mifameno amin’izay tanjon’ny mpiofana izay koa ny hafatra avy tamin’ny solotenan’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy fiofanana arakasa. Nanafatra ireo andiany MIRINDRA izy ny hametrahan’izy ireo ny anarany eto Madagasikara ka hatrany ivelany. Firariana hoy ity tompon’andraikim-panjakana ity ny hahenoana indray andro any anarana sakafo mitondra ny anaran’ireo mpiofana. Nitaona ny CFPS hanitatra ny lalampiofanana sahaniny koa ny solotenan’ny ministera. Azo atao ny mifanampy hanatatrehana izany, hoy ny fanambarany.

Ny Tonia Mpanatanteraky ny FMC, pastora Ratsimbazafy Lalaniaina no nitondra am-bavaka azy 07 mianadahy. Nitondra ny teny fisaorana kosa ny tompon’andraikitra ara-bola eo amin’ny CFPS. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ny lanonana namoahana ny andiany MIRINDRA.



