Miady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy ny fikambanana ARDN

Antompisian’ny tambazotra African Renaissance and Diaposra Network ARDN ny fanatratrarana ny tanjona fahadimy voarakitra ao anatin’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy na ODD 05. Voakasika amin’izany ny fampihenana ny elanelana misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, indrindra ny ady amin’ny herisetra sy ny tsy fanajana ny zo maha-olona. Nitondra fanazavana nanoloana ny mpanao gazety mivondrona ao amin’ny tambazotra REMAPSEN ny filohan’ny ARDN, ny Dr Djibril Diallo, ny Alarobia 17 Janoary 2024. Nambarany fa andraikitry ny rehetra ny fampanjakana ny zo mahaolona. Tsy hanavahana sokajin’olona, na mpitondra fanjakana, fikambanana sosialy, mpanao fanatanjahantena ary ireo mpisehatra amin’ny lafiny sosialy. Mpiara-miasa amin’ny ARDN ny tahirin’ny firenena mikambana momba ny mponina na ny UNFPA, eo koa ny mpitondra fanjakana.
Kolontsaina sy fanatanjahantena
Fomba fiasan’ny ARDN ny fanetsiketsehana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina. Tanjona ny hanafoanana tanteraka ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny zazavavy. Hetsika nampitondraina ny anarana hoe “karatra mena ho an’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy vavy”. Nambaran’ny dr Diallo fa misy ny vokatra azo, nanomboka ny fotoana nanatanterahana ny hetsika. Manentana ireo mpitondra fanjakana sy olona ambony ny tambazotra mba hiray feo amin’ny ezaka atao fanafoanana ny herisetra. Ohatra anakiray ny vokatra azo noho ny fijoroan’ny filoha Ivoriana Alassane Ouatara. Misy hery mias amangina ho an’ny vahoaka hoy izy ny fidiran’ny manampahefana amin’ny ady amin’ny herisetra toy itony.



