Lehilahy mahomby, mitsinjo ny ankohonany

Lehilahy mahomby antsoina amin’ny teny frantsay hoe « masculinité positive » ! Inona izany ? ilaina ve ? Ahoana ny mikasika ireo lehilahy manana fahasembanana ? ireo rehetra ireo no hofantarina amin’ity fanadihadiana ity.
Lehilahy mahomby no namaritan’ny solombavambahoakan’i Betafo sady Sekretera Jeneraly ao amin’ny tambazotra nasionaly mivoy ny zo sy fahasalamana ara-pananahana eo anivon’ny parlemanta , ny Dr Lova Fiarovana Célestin, ny atao hoe « masculinité positive ». Tsy zava-baovao izy io, hoy ny fanazavany raha ny Soratra Masina no raisina. Nambarany fa « ny vavy sy lahy miaraka no maha-tokantrano ny tokantrano. Tokony hiseho eo amin’ny lafiny rehetra ny fifampiresahana ao an-tokantrano, izany hoe tokony halalaka ny ady hevitra », hoy izy nanohy.
Azo atomboka io fifampiresahan’ny lahy sy ny vavy io mialoha ny firosoana amin’ny fanambadiana. Ifanarahana dieny mialoha ny fotoana hanatanterahana ny raharaha. Ifanarahana koa ny isan’ny zaza kasaina hateraka sy ny fotoana hiterahana, rehefa tafajoro ny tokantrano. Ny fifampiresahana eo amin’izy roa no antoka ho amin’izany. Nanamafy i Dr Lova fa afaka mandrindra ny fiterahany ny mpivady vao raha mbola mikasa ny hihary ho an’ny tokantranony aloha izy ireo.
Voafaritry ny lalàna ny andraikitry ny lehilahy
Zava-dehibe ny « masculinité positive » hoy ny fanazavan’i Razanaliliany Hajasoa na rasazy Lilie, solotenan’ny IPAS eto Madagasikara satria voarakitra ao anatin’ny lalàna 2017 – 043 mikasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana fiainampianakaviana izany. Ny andininy faha 16 no milaza fa manana adidy sy andraikitra ny lehilahy hiaro ny zon’ny vehivavy. Tsy raharaham-behivavy samirery ny fanabeazana ara-pahasalamana mikasika ny fananahana fa samy mandray andraikitra ny mpivady. « Tokony manoro hevitra sy mananatra ny zanany koa i dada ary tsy ho an’ny zanaka lahy ihany fa ny vavy koa, izay ilay masculinité positive » hoy rasazy Lilie.
Manana fahamendrehana ny olombelona rehetra
Sarotra kokoa ny toerana raha manana fahasembanana ny lehilahy. Misy fiantraikany eo amin’ny fomba fijery sy fandraisan’ny fiaraha-monina ny toe-batany. » Sady tsy ankizy no tsy raisina ho olon-dehibe ny lehilahy sembana » hoy Razafindrakoto Falihery, mpikambana ao amin’ny Réseau Malgache de Handicap. Vokany, adinon’ny maro fa manana zo ara-pahasalamana ara-pananahana izy ireny. Voafaritra ao anatin’ny fifanarahana iraisampirenena momba ny zon’ny olona manana fahasembanana anefa izany, raha ny fanazavan’i Razafindrakoto Falihery. Miainga amin’ny fahatokisan-tena na « confiance en soi » anefa ity antsoina hoe lehilahy miabo na mahomby ity. Manaraka izany ny fandraisana andraikitra sy ny fahaizana mihaino am-pahalianana ary ny firotsahana amin’ny fiarovana ny zo maha-olona. Sarotra kokoa ho an’ny olona manana fahasembanana ny hanatanterahany izany satria na izy ireo aza mbola tsy misitraka feno ny zony. Na izany aza, azo tanterahana. Misy rahateo ireo mpivady manana fahasembanana no nahabe sy nahatafita ny zanany. Nomarihan’i razafidrakoto Falihery fa manana ny fahamendrehany ny olombelona tsirairay ary tsy hanavahana izany na lehilahy na vehivavy na koa olona sembana. Mampiova ny fomba fijery sy ny fifampitondrana eo anivon’ny fiaraha-monina ny fahatsapana izay fananan’ny rehetra fahamendrehana izay.
Tsy tsara raha irery ralehilahy ka dia nanaovan’Andriamanitra vady sahaza izy. Midika izany fa mifameno izy roa ka tsy tokony hisy herisetra hianjady na amin’ny andaniny na ny ankilany. Ilaina ny fifampiresahana, ny fifanajana ary indrindra ny fifankatiavana. Taratra eo amin’ny fifampihainoan’izy roa izany, indrindra raha ny lafiny fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana no asian-teny.



