Fiovaovan’ny toetry ny andro : Hanampy an’I Madagasikara ny OIF
Fiovaovan’ny toetry ny andro : Hanampy an’I Madagasikara ny OIF

An-dalam-panoratana ny antota-taratasy mikasika izay famatsiam-bola izay ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy MEED, miaraka amin’ny Organisation Internationale de la Francophonie OIF. Famatsiam-bola ahafahan’I Madagasikara miatrika ny fiovan’ny toetrandro. Ny ministry ny tontolo iainana, VINA Marie – Orléa no nilaza fa mifanaraka amin’ny toekarena Malagasy ity famatsiambola omen’ny OIF ity.
Ankoatra izay, efa eo an-dalam-pikarakarana ireo antontan-taratasy hafahana misitraka ny famatsiam-bola avy amin’ny Fonds vert pour le climat koa ny fitondram-panjakana ankehitriny. Nambaran-dRtoa ministra fa “niray feo ny Firenena afrikana ny hanafaiganana ny famoahana ny famatsiam-bola hiadiana sy hiatrehana ny fiovan’ny toetrandro ka isan’ireo firenena tsara toerana hisitraka izany i Madagasikara”

Nandritra ny atrikasa nanaovana tatitra ny fihaonambe COP 27 natao ny volana Novambra 2022 farany teo no nahafantarana izany. Atrikasa notanterahana tao amin’ny Carlton Anosy ny 14 Febroary 2023.



