FahasalamanaFanabeazanaSosialy

Famatsiana rano fisotro madio, latsaky ny 48 % n’ireo toerana hahazoana rano sisa no miasa

Distrika 04 ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana no nanatanterahana ny fitsirihana. Hita taorian’izany fa ny 47,5 % n’ny toerana ahafahana mahazo rano sisa no miasa. Ambany mitaha amin’ny tokony ho izy koa ny kalitaon’ny rano, araka ny tatitra navoaky ny Unicef. Tratran’ny loto avy amin’ny tay ny 63% n’ireo toerana fahazoana rano ireo. Noho ny fangerena ankalamanjana no antony. Ny fikambanana tsy miankina SAHI no nanao ny fitsirihana, ny Unicef no mpanatanteraka tamin’ny alalan’ny ny tetikasa Mionjo. Ny Ministeran’ny rano, fanadiovana ary fidiovana no tompon-kevitra ka ny banky iraisam-pirenena no namatsy ara-bola.

Ny 14 aogositra 2024 no nampahafantarana ny tatitra, tao Toliara. Ilaina ny fanisana ireo toerana ahazoana rano madio ahafahana manamboatra ny simba sy manamafy orina ny fotodrafitrasa eo aminy ahatonga ny mponina hahazo rano madio. Ny distrikan’I Betioky Atsimo, Ankazoabo, Beroroha ary Ampanihy Andrefana no niasana. Teo anelanelan’ny volana Avrily – Jolay 2024 no natao ny fanisana ka nojerena ireo fotodrafitrasa momba ny rano teny anivon’ny sekoly, toeram-pitsaboana sy ireo rafitra isan-tsokajina miasa ao amin’ireo distrika. Nodinihana koa ny fomba nitantanana ireo fotodrafitrasa momba ny rano ireo.

Sary: Unicef

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page