Fanabeazana
FANABEAZANA: MIARA-MIASA NY ALLIANCE FRANÇAISE SY NY ORINASA WEBHELP

Fifanarahana ahazoan’ny roa tonta tombony ity voasonia tetsy Andavamamba ny 12 Jona ity. Ho an’ny AFT, iantohan’izy ireo ny fampianarana teny frantsay ireo mpiara-miasa amin’ny orinasal Webhelp. Ny fitantanana ny lafiny fifandraisana an-tariby ao amin’ny AFT kosa no iandraiketan’ny ankilany. Ankoatra izay, fotoana fanararaotra hamantarana ny sehatrasa mikasika ny fifandraisana amin’ny mpanjifa koa ity fifanarahana ity. Tanjona ny hamoahana volavolam-pandaharam-piofanana mifanaraka amin’io sehatra io aoriana. Nisolo-tena ny AFT ny filoha ny filankevim-pitantananana Monique RAHARINOSY, ny tale jenealy ny Webhelp Julien MARCHAND.



