FIFANINANANA KABARY AMIN’NY TENY JAPONEY: METY HO ANY JAPON NY NAHAZO NY LAHARANA VOALOHANY

Tontosa ny 10 Jona 2023 ny fifaninanana mikabary amin’ny teny Japoney. Lemaraina Mario Philippien no nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny sokajy natokana ho an’ireo efa mahafehy ny teny Japoney. Rabearivelo Manantenasoa Ny Aina kosa no voalohany teo amin’ny sokajy natokana ho an’ireo vao manomboka mianatra. Niisa 25 ny mpifaninana tamin’ity andiany faha 31 ity ka ny 08 naneho izany mivantana raha tamin’ny tambazotra no nanatanterahan’ny ambiny ny kabary. SAmy nahazo mari-pahatsiarovana sy medaly ireo nahazo voalohany. Hiavaka kosa ny ho an’ny sokajin’ireo efa mahafehy ny teny satria hisy ny fitsapam-pahaizana atao aminy ka raha mahafeno ny fepetra izy dia afaka hivahiny any Japon mandritra ny tapa-bolana.



