Fahasalamana sy zo ara-pananahana, ampiasaina ny drones sy ny clinique mobiles

Ranomafana, Madagasikara, faha 31 Janoary 2025 – Drones matanjaka vaovao telo nampiasaina tamin’ny foimba ofisialy
Tanàna maro no lavitra toeram-pitsaboana. Tsy vitsy koa anefa ireny toerana ireny no tsy todin’ny fiara noho ny halaviran-dalana na ny haratsian’ny lalana. Ho fanampiana ireo vehivavy sy zatovovavy mila fanafody momba ny fananahana ara-pahasalamana, ampiasaina hitaterana fanafody any amin’ireo CSB lavitra sy saro-dalana ireo ny drones na irony fiaramanidina tsy mila mpanamory mivantana irony. Ny 31 Janoary 2025 lasa teo no nanehoana tamin’ny fomba ofisialy ny fandefasana drones vaovao hiasa any amin’ny distrika miisa 06, dia i Vohipeno, Manakara, Mananjary, Ifanadiana, Nosy Varika ary Ikongo. Tao Ranomafana ny toerana nanehoana ity hetsika ity. Ny tatitra no nahalalana fa CSB maherin’ny enimpolo no hisitraka ny fanafody entin’ireo drones ireo. Ny governemanta japoney no namatsy ara-bola ny tetikasa. Ny tahirin’ny firenena mikambana momba ny mponina UNFPA kosa no manatanteraka azy miaraka amin’ny rantsa-mangaikan’ny ministeran’ny fahasalamana eny ifotony. Tombanana ho vehivavy sy tovovavy maherin’ny 84 000 no nahazo fanafody sy nisitraka fitsaboana noho ny fampiasana ireo drones sy ny « clinique mobile ». Nahazo toromarika momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha vavy koa izy ireo. Nioharana ny sakana tsy hisitrahan’ny vehivavy tolotra ara-pahasalamana, ka tsy misy olona ho adino intsony fa samy hahazo fanafody sy torohevitra ny rehetra, hoy ny soloten’ny UNFPA Josiane Yaguibou, nandritra ny fandraisany fitenenana.

Fotoana nanakatonana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa antsoina hoe « Scaling up of advanced strategies and innovative technologies to save the lives of women and girls in Madagascar » izay vatsian’ny governemanta japoney koa io natao tany Ranomafana io.



