Fahasalamana

Ady amin’ny sida: omen-danja ny ezaka eny fiaraha-monina

Dakar, Senegal, faha 30 Novambra 2023 – Miantso ny fandraisan’andraikitr’ireo mpitarika eny anivon’ny fiaraha-monina ny fikambanana iraisampirenena miady amin’ny sida ONUSIDA.

Marihana isaky ny 01 Desambra ny andro erantany iadiana amin’ny aretina sida. Tanjona ny handresena io aretina io amin’ny taona 2030. Tsy ho tratra anefa izany raha tsy omena vahana ny hery velona rehetra eny amin’ny fiaraha-monina, toy ny fikambanana na ara-dalàna na tsia, ny lehilahy sy ny vehivavy, ireo mpitarika samihafa arak any andraikitra sahaniny avy. Anjaran’ny fanjakana sy ireo mpamatsy ara-bola no manome izay ilain’izy ireo ahafahany mandray anjara amin’ny ady.

Nanao antso ny ONUSIDA ny tsy maintsy hampidirana ireo mpiatarika eny anivon’ny fiaraha-monina amin’ireo drafitra sy fandaharanasa mikasika ny ady amin’ny sida. Takiany koa ny hamatsiana ara-bola mitohy sy maharitra ireo mpitarika eny anivon’ny fiaraha-monina ireo ary farany ny handravana ireo sakana tsy ahafahan’ny mpitarika hanao ny asany.

Toy izao ny antotanisa farany mikasika ny VIH SIDA

  • 39 tapitrisa ny isan’ny olona miaina miaraka amin’ny VIH manerana izao tontolo izao ka olon-dehibe ny 37 tapitrisa amin’ireo raha toa ka ankizy ny 1,5 tapitrisa 0 – 14 taona.
  • Olona miis 630 000 no namoy ny ainy vokatry ny aretina misy ifandraisany amin’ny sida.
  • 1,3 tapitrisa ireo olona vaovao tratry ny VIH tamin’ny taona 2022 raha 3,2 tapitrisa izany tamin’ny taona 1995.
  • Ny vehivavy sy ny ankizy no maro an’isa amin’ireo satria mahatra 96% amin’ireo olona vaovao tratry ny tsimokaretina VIH izy ireo.
  • Ankizy 02 amin’ny 3 anefa no tsy misitraka ny fanafody ARV, raha ny tatitra ihany.

Niara-niasa tamin’ny ONUSIDA ny tambazotran’ireo mpanao gazety misehatra amin’ny fahasalamana sy tontolo iainana remapsen, nandritra ny fampitana ireo vaovao ireo. Ramatoa Hélène Badini, mpanolotsaina ao amin’ny ONUSIDA ao Afrika andrefana sy afovoany, misahana ny asa atao eny amin’ny fiaraha-monina no nitondra ny fanazavana. Nandrindra fampitam-baovao kosa ny filohan’ny remapsen, Bamba Youssouf.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page