Fanadihadiana Lalina

Tsy azo ihodivirana ireo fifanarahana iraisampirenena momba ny ady amin’ny herisetra

Fanohanana matanjaka ny fifanarahana iraisam-pirenena hiadiana amin’ny loza ateraky ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy:   Tsy azo ihodivirana

Nosoratan’i Jannie Marie Jacqueline BETRASIMPLICE

Mazava ny voka-pifidianana tamin’ny fifidianana Antenimierampirenena farany teo – tsy maintsy ho lehilahy ny ankamaroan’ny mpikambana. Ny tantara dia naneho amintsika fa na dia eo aza ny fandrosoana sasany dia tsy ampy na tsy mihatra ny lalàna sy ny politika hiarovana ny vehivavy sy ny ankizy vavy eto Madagasikara, toy ireo firenena manerana izao tontolo izao.

 

Efa nisy hatramin’ny taona 2019 ny lalàna 2019-008 mahakasika ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, saingy tsy nampiharina tsara ary misy banga. Mbola mampiady hevitra ny lalàna momba ny famosirana ara-tsimika sy fandidiana ireo mpanolana ankizy. Ny zava-misy dia nitombo ny raharaha fanolanana tao anatin’ny roa taona. Tamin’ny taona 2023, tranga fanolanana zaza tsy ampy taona 600 no voarakitra anaty tatitra ary efa 133 hatramin’ny volana Janoary tamin’ity taona ity. Ankoatra io, maherin’ny 14%-n’ny vehivavy sy tovovavy eto Madagasikara no efa niaina herisetra ara-nofo teo amin’ny androm-piainany.

Fanampin’izany, nanjary sehatra nampirongatra ny karazana herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy ny Aterineto, isan’ireny ny fandrahonana sy ny torikisina am-bava. Ny Aterineto ihany koa dia fitaovana mampahazo vahana ny fanararaotana ara-nofo ny vehivavy sy ny ankizy amin’ny alalan’ny sary mamoafady sy fitaovana hafa.

 

Tsy eto Madagasikara irery ihany anefa no misedra ny olana mikasika ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy. Maneran-tany, fara fahakeliny vehivavy iray amin’ny telo no efa voadaroka na niharan’ny herisetra nandritra ny androm-piainany, araka ny voalazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Raha ny salanisa, vehivavy na ankizy vavy 133 mahery isan’andro no maty novonoin’ny olona iray fianakaviana aminy. Isan-taona dia ankizy vavy 12 tapitrisa latsaky ny 18 taona no manambady. Mbola miely patrana sy tsy tanterina loatra ny fanolanana any amin’ny firenena maro. Tranga hita ihany koa ilay atao hoe « famonoana hanalana henatra sy hiarovana voninahitra », fomba nentim-pahazarana amina toerana vitsivitsy, angatahan’ny fianakaviana hamonoana ny iray amin’ny havany mba hanarenana ny henatra na fanalam-baraka nataon’itsy farany. Vao haingana ny UN-Femmes no nitatitra fa « tsy misy firenena afaka manafoana ny herisetra ataon’ny olona miaraka na vady », ary « simba ny vehivavy sy zazavavy »-ntsika.

Afaka manova izany anefa isika. Afaka mampihena ny tahan’ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy vavy eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao isika amin’ny alalan’ny lalàna iraisam-pirenena — fifanarahana maneran-tany vaovao momba ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ankizy vavy ampidirina ao amin’ny Fifanarahana momba ny Fanafoanana ny endrika Fanavakavahana rehetra mianjady amin’ny Vehivavy (Convention sur l’Elimination De toutes les formes de Discrimination à l’Egard des Femmes-CEDEF), fifanarahana momba ny zon’ny vehivavy.

Ny fifanarahana vaovao dia hametraka fenitra faran’izay kely indrindra ho an’ny firenena hanamafisana ny fiarovana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy vavy ary hanamora ny fanaraha-maso sy ny fandraisana andraikitra. Ity fifanarahana ity dia manome alalana:

  1. Fanavaozana ny lalàna – Mandany lalàna mandrara ny herisetra rehetra atao amin’ny vehivavy sy ny zazavavy.
  2. Fampiofanana sy fandraisana andraikitra – Ho an’ny mpampihatra lalàna, mpitsara sy matihanina ara-pitsaboana momba ny olana sy ireo fenitra arak’asa.
  3. Fanabeazana momba ny fisorohana – fanabeazana mialoha any an-tsekoly ho an’ny ankizilahy sy ankizivavy, ary koa ho an’ny vehivavy sy lehilahy, reny sy ray.
  4. Tolotra ho an’ireo niharan’ny herisetra: fampiantranoana, fitsaboana feno ary fanohanana ara-bola ho an’ireo niharam-boina mitady fialofana sy rariny manoloana ny herisetra nihatra taminy.
  5. Famatsiam-bola – Manome loharano ampy hanatanterahana ireo sehatra voalaza ireo.

Efa tohanan’ny firenena efatra ity fifanarahana ity – Antigua sy Barbuda, Costa Rica, Repoblika Demokratikan’i Congo ary Sierra Leone. Miantso firenena hafa izy ireo mba hiaraka aminy.

Tokony handray anjara amin’izany ezaka izany i Madagasikara ary hanao fanambarana ampahibemaso ny fanohanana. Izany dia mampiseho fa ny governemanta dia matotra amin’ny fanoloran-tenany amin’ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy rehefa nandany ny lalàna 2019-008 momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy.

Ny Antenimierampirenena vao lany tamin’ny fifidianana farany teo dia tokony hanao laharam-pahamehana ny fiatrehana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny  ankizy vavy amin’ny fanohanana ny governemanta amin’ny fifanarahana vaovao azo atao maneran-tany sy eto Madagasikara, miantoka ny fampiharana ny lalàna efa misy, manamafy ireo lalàna vaovao ary mitana ho tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataony ireo mpandika lalàna.

Tsiahivina fa i Madagasikara dia isany misedra mafy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, izay mampitombo ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy. Raha mivondrona isika izao, amin’ny maha-firenena sy vondrom-piarahamonina manerantany, dia afaka mametraka rafitra sy politika matanjaka kokoa. Zavatra iray no azo antoka: samy manana ny andraikiny amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy  na maha vavy, eto Madagasikara sy maneran-tany ny tsirairay.

Jannie Marie Jacqueline Betrasimplice dia mpiara-manorina ny Fikambanana Malagasy Youth Initiative. Manana traikefa mihoatra ny 5 taona amin’ny fikambanana nasionaly misehatra amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny vehivavy. Jannie dia mpikambana ao amin’ny Every Woman Treaty ary Maintimolalin’ny Programa Every Woman Fellowship.

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page