Tetikasa 2 vaovao hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny
Antananarivo, faha 02 Mey 2025 – Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ireo tetikasa momba ny fananahana sy zo ara-pahasalamana.
Tetikasa Safe Birth Africa, hanampiana ny sekolin’ny sage femmes eto Madagasikara ary vatsian’ny vondrona eoropena vola ny voalohany. Faharoa ny tetikasa Together4SRHR iraisan’ireo sampandraharahan’ny firenena mikambana toy ny UNFPA, UNICEF, ONUSIDA ary ny OMS. Hanamora ny fomba ahafahan’ny vehivavy misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara momba ny fananahana sy hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny io tetikasa faharoa io. Ankoatra izay, hiady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy, hanampy amin’ny fahazoan’ny mponina ireo fanafody sy kojakoja momba ny fandridram-piterahana ary hisoroka ny fifindran’ny VIH.
Ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fahasalamana, Lethicia Lydia Yasmine no nampahafantatra tamin’ny fomba ofisialy ireo tetikasa ireo ny Zoma 2 Mey 2025 tetsy Anosy. Ny tahirin’ny firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) sy ny ministera no mananteraka ny asa. Nambaran-dRtoa sekretera jeneraly fa ireo tetikasa roa ireo dia manohana ny ezaky ny ministera mba hahazoana antoka fa manana fahafahana hiaina amin’ny fahasalamana tsara ny vehivavy sy ny tanora.
Ny solotena maharitry ny UNFPA eto Madagasikara, Josiane Yaguibou no nanolotra ireo fitaovana ho an’ny sekolin’ny sagefemme. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny sagefemme ny fanombohana io tetikasa Safe Birth Africa io.




