Zo sy fananahana ara-pahasalamana : Nankatoavina ny drafitra stratejika nasionaly

Antananarivo faha 13 Janoary 2026 – Nankatoavin’i Madagasikara ny Drafitra Statejika Nasionaly momba ny Fiovam-pihetsika amam-pitondrantena, ho an’ny taona 2026 – 2030.
Voakasika amin’ity drafitra nasionaly ity ny fahasalamana sy zo ara-pananahana, ny ny fahasalaman’ny reny, ny zaza vao teraka, ny ankizy, ny zatovo ary ny fanjarian-tsakafo. Nandritra ny atrikasa nasionaly notanterahana tao Antaninarenina, natrehan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo ministera samihafa, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ary ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena no nanapahana izany.
Farafahakeliny, 90 isan-jaton’ny mponina no kendrena hanana sy hanaja fitondran-tena maharitra manohana ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana ary ara-piterahana alohan’ny taona 2030. Tanjona ny hampihenana ny tahan’ny aretina sy ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza. Nanambara Hantanirina Léa, tomponandraikitra misahana ny serasera sy ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fahasalamam-pianakaviana (DSFA) ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana fa « tamin’ny taona 2025 no namolavolàna io drafitra io ary anisan’ny misongadina ao anatin’izany ny paikady nasionaly mahakasika ny fiovam-pihetsiky ny fiaraha-monina amin’ny fahasalamana sy zo ara-pananahana, fahasalaman’ny reny, ny zaza vao teraka, ny ankizy, ny zatovo sy ny tanora ary ny fanjariantsakafo ». Nomarihiny fa « paikady dimy lehibe no iankinan’ity drafitra ity ka anisan’izany ny fanamafisana ny fitantanana sy ny fandrindràna, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra, eo ihany koa ny fanatsaràna sy ny fampiasàna ny tolotra ara-pahasalamana. »
Nanampy tamin’ny famolavolana sy ny fandaniana ity drafitra nasionaly ity ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika toy Unicef sy ny fandaharanasa WISH2, tamin’ny alalan’ny Johns Hopkins Center for Communication Programs (JH CCP).





