FahasalamanaFanabeazanaSosialy

Ny vohoka aloha loatra sy ny vohoka tsy irina

Mandritra ny fahatanorana no hiatrehan’ny tanora ny tontolo manodidina azy.  Tsara ny mampisongadina ny teny hoe “fifandraisana araka ny maha lahy sy ny maha vavy”, izay mahafoaka ny hetsika ara-piraisana rehetra eo amin’ny olona roa miaraka, ka anisan’izany ny fifandraisana tsy hanaovana firaisana ara-nofo.

Raha tsy mahay mifehy tena mantsy ny tanora dia mety tonga amin’ny trangan-javatra miseho tsy ampiheverana . Ho jerentsika androany ary  ny fitondrana vohoka, ny vohoka aloha loatra sy ny vohoka tsy irina.

NY FITONDRANA VOHOKA

Misy ny fe-potoana tokony arahina amin’ny fitondrana vohoka mba hahatomombana tsara ny vatan’ny reny sy ny zaza. Ireto anefa misy vohoka izay mety mitera-doza :

  • Ny vohoka aloha loatra : alohan’ny faha-18 taona
  • Ny vohoka misesy loatra latsaky ny roa taona
  • Ny vohoka tara loatra : mihoatra ny 35 taona
  • Ny vohoka maro loatra : zaza efatra na mihoatra

NY VOHOKA ALOHA LOATRA – NY VOHOKA TSY IRINA

Satria dinika ho an’ny tanora izy ity dia ho hazavaintsika ary ny mikasika ny vohoka aloha loatra izany hoe alohan’ny faha-18 taona.

Ny antony mahatonga ny vohoka aloha loatra dia ny tsy fahampian’ny fahalalana mikasika ny fananahana. Mety ho bevohoka alohan’ny fotoana ary tsy naniry ny hisian’ilay zaza. Tsy nampoizina ny fisian’ilay zaza  fa nentanim-po, nentanim-pitiavana ka tsy nahafehy tena.

Ny vokadratsiny hateraky ny vohoka aloha loatra :

  • Mety tsy mitombo ara-batana ilay zazavavy
  • Mety ho afa-jaza tsy nahy
  • Tsy mizotra ara-dalana ny fitombon’ny zaza ao an-kibo satria tsy mbola ari-fomba ny taovam-pananahana
  • Mety tonga amin’ny fanalan-jaza (tsy nirina)

Rehefa eo am-piterahana indray dia mety

  • Saro-piterahana, mihetsi-jaza ela
  • Fahasimban’ny taovam-pananahana
  • Tratry ny fistule obstétricale (aretina mamany lava)
  • Fahafatesan’ny reny – fahafatesan’ny zaza
  • Zaza tsy tonga volana

Rehefa teraka indray ilay zaza :

  • tsy voakarakara ara-dalana, farofy
  • Maty vono
  • Miafara amin’ny fanariana ilay zaza
  • Fahamombana nohon’ny fahasoratana teo am-piterahana
  • Fahazoana aretina IST

Eo amin’ny fiaraha-monina :

  • Tondroin’ny olona molotra
  • Tsy afaka mianatra/manohy fianarana intsony
  • Voailiky ny fianakaviana
  • Voatery mitady asa
  • Fikorontanan-tsaina

Ny fisorohana dia :

  • Fahafantarana ireo karazana fahafinaretana mety mitarika amin’ny firaisana ara-nofo (mifanafosafo, mifamihina, mifanoroka, mifampisakambina, ..)
  • Sahia manao TSIA
  • Tsy manao firaisana ara-nofo
  • Fanajana ny tena
  • Fahazoana fahalalana mikasika ny fananahana
  • Fampiasana ny fomba tsy mahabevohoka raha toa ka manao firaisana (fampiasana ny fimailo, ny spermicide, ny pilina)
  • Ialana ny toe-javatra mety hitarika amin’ny filàna ara-nofo. Ohatra : mitokana any amin’ny toerana mangina, tsy miaraka amin’ny besinimaro

FEHINY

Mila hazavaina amin’ny zatovo sy ny tanora ny fananahana ara-pahasalamana hahafahany miaro-tena ary indrindra mandinika sy mandanjalanja ny fiantraikany amin’ny fiainany raha tsy mahatandrina ny tenany izy.

Amin’ny fotoana manaraka isika dia hiresaka mikasika ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo izay antony fahadimy mahatonga ny olona hanatona tobim-pahasalamana.

Ny Mpanabe Ratsimba Gisèle

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page