FITERAHANA AZO ANTOKA, TSY MAHASAHANA NY ISAN’NY MPONINA NY RASAZY

Antananarivo, 02 May 2023 – Rasazy 3994 no miasa manerana ny nosy araka ny antotanisa nivoaka ny taona 2018. Ambany io isa io satria 05 monja no misahana mponina 20 000. Raha ny tokony ho izy, 15 000 no ilaina hisahana ny fampiterahana sy fandraisana an-tanana ireo reny bevohoka sy vao avy teraka. Afaka miantoka ny 87 % ny fitsaboana ilain’ny reny sy ny zaza vao teraka ny rasazy. Misoroka ny fifindran’ny VIH eo amin’ny reny sy ny zaza koa ny asa fitsaboana omeny. Vitsy anefa izy ireo mitaha amin’ny isan’ny mponina. Ahiana hitombo io tsy fahampiana io amin’ny taona 2030. Rasazy miisa 19 000 vao hahasahana ny filan’ny mponina amin’izay fotoana izay. Antony iray mahatonga ny fahafatesan’ny reny noho ny fitondrana vohoka na fahasarotam-piterahana io fahavitsian’ny rasazy io. Ankoatra izay, betsaka ny toerana tsy misy rasazy eto Madagasikara. Saika an-tanan-dehibe no misy azy.
Olana eo amin’ny fampianarana
“Rasazy tsara ofana sy miasa am-pahamalinana, antoka ho amin’ny fiterahana ieren-doza”, hoy ny solotena maharitry ny rafitry ny firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) Miranda Tabifor nandritra ny tatitra nataon’ity rafitra ity nanoloana ny mpanao gazety. Nambarany fa ahitana sekoly ambony ara-panjakana miisa 06 eto Madagasikara raha 117 ny sekoly tsy miankina mampianatra ho rasazy. Tsy mifanaraka amin’ny fenitra navoaky ny “Conféderation international des sages-femmes” na ICM anefa ny ankabeazan’ny fandaharam-pianarana. Tsy misy koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vao nahavita fianarana, raha toa ka efa manao izany ny any amin’ireo firenen-kafa.
Tantsoroky ny UNFPA
Tsikaritra fa atao ankilabao ny asan’ny rasazy eto Madagasikara hoy ireo nandray fitenenana. Ezaka mitohy iarahan’ny UNFPA amin’ny governemanta ny fanohanana ireo andry fototra miisa 04 dia:
- ny fanabeazana,
- ny fanamafisana orina ny asan’ny rasazy araka ny lalàna velona,
- ny fanampiana ireo fikambanan’ny rasazy
- ary ny fampitomboana ny fahaiza-manao sy fanatsarana ny sehatra iasany

Asa natao ny fanofanana rasazy amin’ny alalan’ny fizarana traikefa avy amin’ireo zoky. Ny fanomezana tranomboky ara-kajy mirindra. Teo koa ny fananganana “laboratoire de compétences” ka sekoly ambony vitsivitsy no nisitraka izany. Namafisin’ny UNFPA koa ny fametrahana ireo any amin’ireo ivon-toeram-pitsaboana ilay antsoina hoe SONU (Soins obstétricale et néonatale d’urgence). Ezaka natao ny fampiasana fitaovana ary fomba mandritra ny fianarana mampiteraka mba ialana amin’ny fitangoronanan’ny mpianatra maro eo anoloan’ny vehivavy iray eo am-piterahana, antsoina hoe « humanisation de soins » ity fomba fianarana manome hasina ny mpiteraka ity. « Tanjona ny hiarovana ilay reny tsy ho zary sorona ianaran’ireo mpianatra ka izay no hanomezana azy ireo fitaovana azo hanaovana fampiharana » hoy ny dr Faly Razanarison avy ao amin’ny UNFPA.
Asa fa tsy kabary
Mila fahavononana ara-politika ny fanatsarana ny asan’ny rasazy eto Madagasikara. Voakasika amin’izany ny fampiakarana ny lentan’ny fampianarana. Ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo efa amperinasa, ny fanomezana hasina azy ireo amin’ny alalan’ny karama mifanentana amin’ny asany ary ny fanapariahana ny rasazy hatrany amin’ireo faritra lavitry ny renivohitry. Ministera maro no tsy maintsy mihetsika vao ho tanteraka ireo ezaka ireo. Ilaina ohatra ny lalana, ny angovo, ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana ary ny vola hanakaramana ny mpiasa. Mialoha izay, manana ny andraikiny ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana siantifika ary ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fametrahana fandaharam-pianarana araka ny fenitra takian’ny ICM sy ny fitsirihana ireo fotodrafitrasa ampisain’ireo sekoly manofana rasazy.
Ankalazaina isaky ny 05 May ny andro iraisampirenen’ny rasazy. Fanamarihana hitondra ho amin’ny fiovana no andrasan’ny maro.



