MIARO MALAGASY MIISA ENINA TAPITRISA AMIN’NY TAZOMOKA I ETAZONIA

Namendraka odimoka tao anaty trano miisa 1,4 tapitrisa sy teny anivon’ny toerana fanatodizan’ny moka ny fandaharanasa.
Manampy an’i Madagasikara amin’ny fampihenana ny fiparitahan’ny tazomoka ny Amerikanina, aretina mafy izay mety hahafaty raha tsy voatsabo haingana, indrindra amin’ny ankizy madinika. Nanomboka ny taona 2018 ny tetikasa Vectorlink ary mitentina 12 tapitrisa dolara, novatsian’ny Vinan’ny Filoha Amerikana ho an’ny ady amin’ny tazomoka (PMI) vola ary tantanan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID). Niaro trano Malagasy miisa 1,4 tapitrisa tamin’ny alalan’ny famendrahana odimoka ao anaty trano isan-taona ary koa fanesorana ireo toerana fanatodizan’ny moka eny anivon’ny tanimbary maherin’ny 8.000 ha ny tetikasa. Olona enina tapitrisa mahery no voaaro tao anatin’izany hetsika izany. Ny PMI no mitarika ny ady maneran-tany ataon’ny governemanta amerikana amin’ny tazomoka.
Ankizy latsaky ny dimy taona miisa 900.000 ary vehivavy bevohoka miisa 200.000 no nahazo tombontsoa. Ny tetikasa ihany koa dia nanome asa ho an’ny olona 15.000 izay niasa toy ny mpamendraka, mpanentana na koa mpiasa mpanohana, izay nanome tosika ara-toekarena ho an’ny vondrom-piarahamonina teny an-toerana.
“Rehefa ampiarahina amin’ny hetsika hafa toy ny fampiasana lay misy odimoka rehefa matory, ny fitsaboana ny vehivavy bevohoka, ary ny fizarana fanafody misy “artémisinine”, dia afaka mandroso amin’ny tanjona ho fanafoanana ny tazomoka eto Madagasikara isika”, hoy i David Parks, Tale Lefitry ny Biraon’ny Fahasalamana eo anivon’ny USAID/Madagasikara nandritra ny lanonam-pamaranana ny tetikasa Vectorlink natao ny 31 Mey 2023.
Ankoatra ny hetsika famendrahana natao isan-taona manerana ny Distrika miisa 20 amin’ny Faritra 12, ny USAID dia nanampy ihany koa ny Programme de Lutte contre le Paludisme (PNLP) eto Madagasikara amin’ny fanatsarana ny asa, ny fanaraha-maso ary ny fanombanana ny fandaharanasa momba ny ady amin’ny moka, ary koa ny fanofanana ny mpiasa amin’ny paikady mahakasika ny ady amin’ny tazomoka eto amin’ny firenena.
Mba hanatrarana ireo vokatra ireo, ny USAID dia nanentana ny fiaraha-miasa teo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Fanabeazana mba hahazoana antoka fa mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ny famendrahana odimoka ary tsy misy ahiahiana amin’ny fahasalaman’ny mponina.
Toy ny «mpirahalahy mianala», ny vahoakan’i Etazonia dia miara-dia amin’ny vahoakan’i Madagasikara amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny mponina ary namatsy vola nitentina 86 tapitrisa dolara mahery hanohanana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara tamin’ny taona 2022.




