Pôlitika

FANAVAOZANA TANTERAKA NY LISI-PIFIDIANANA, 10 749 934 NY MPIFIDY VOASORATRA ANARANA

Antananarivo – 13 Jona 2023. Nampahafantarin’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana CENI ny isan’ny mpifidy voarakitra ao amin’ny lisitra vaovao.  Nifarana ny 10 Jona 2023 ny fe-potoana nomena ny rehetra hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana. Nilaza ny filoha ny CENi fa 79,22% n’ny vinavina no tratra. Mpifidy niisa 13 593 006 mantsy no noheverina ho voarakitra ao anatin’ny lisitra vaovao.

Ho fanajana ny zon’ny olom-pirenena tokony hifidy, haverin’ny CENI eny anivon’ny fokontany ny lisitra ka manana 20 andro ny olona hanaovana fanamarihana sy fanamarinana. Afaka misoratra anarana koa ireo mbola tsy ao anaty listra mandritra io fe-potoana io. Tsy azo raisina kosa na izany aza ireo tsy nahazo kara-panondro hatramin’ny 10 Jona lasa teo. Nambaran’Atoa Dama Arsène Andrianarisedo fa ny fanajana ny lalampanorenana, ny fanambarana iraisampirenena momba ny zon’olombelona ary ireo lala-tsaina mifototra amin’ny fanajana ny zo no nandraisana ny fanapahan-kevitra.

Vola mitentina 45 349 746 000 ariary no lany nanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nividianana fitaovana, nandoavana karama sy ireo pitsopitsony nilaina tamin’ny fanisana no antony hoy hatrany ny fanazavana. Raha tsinjaraina ny sorabaola, voalaza fa nitentina 25 263 056 000ariary ny vola azo tamin’ny taona 2022. Ny LFI taona 2023 kosa nahazoana 11 351 290 000 ariary niampy 10 735 400 000 ariary.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page