Mila fahavononana ny fifehezana ny rarintsaina na stress

Soamanandrariny, faha 10 Oktobra 2023 – Lohahevitra novelabelarin’ny profesora Andriamanarivo Mamy Lalatiana ny fomba fifehezana ny saina ho tony sy milamina. Nambarany fa tsy mitovy ny hetsika ataon’ny vatana, fa miova arakaraky ny olona. Nampahafantariny ireo fambara raha tratra ny rarin-tsaina na “stress” ny olona anakiray. Mitebiteby, tezitezi-dava, lasa mitokatoka-monina, tsy mahay mifandray aman’olona, ireo rehetra ireo no fambara. Misy antony ny mahatonga izany. Matetika olana any amin’ny toeram-piasana, vokatry ny asa tsy vita na ny fifandraisana amin’ny lehibe, mety ho olana ara-bola na koa ara-tsakafo.
Misy ny vahaolana
Fehezina ny saina. Izay ny torohevitra voalohany iatrehana ny “stress”. Mila manana fijery miabo. Manaraka izany, fehezina ny fotoana. Nanentana ny mpivory ny mpandahateny mba hanoratra fandaharam-potoana isan’andro, ka hiezaka hamita izay voasoratra. Hitondra anao ho amin’ny fahamatorana izany fahazarana izany, hoy izy nanohy. Aza fikirina samirery ny olana fa ifampizarao. Ampinga handresenao ny “stress” ny fizaranao azy. Fanampin’ireo, mila manao fanatanjahantena ny olona tsirairay raha te handresy ny rarintsaina. Ajanona ny sakafo manaitaitra, ny kafe no voalohany amin’izany. Ary farany, mila manao fandinihan-tena sy miala sasatra ara-tsaina, ara-batana ny tsirairay.
Mbola mitohy ao amin’ny fiangonana advantista Soamanandrariny ity famelabelarana ity, ary hofaranana amin’ny fizaham-pahasalamana aretina manokana ny Alahady. Fotoam-pivavahana atao etsy amin’ny gradin III Soamanadrariny kosa no hanamarika ny Sabata 14 Oktobra 2023.



