Tontolo iainana

Namono olona sy nandrava fananana I Gamane

Olona 03 tsy hita, 14 namoy ny ainy ary 03 naratra, raha ny tatitra navoakan’ny biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza BNGRC ny 28 Marsa 2024 tamin’ny 06 ora hariva. Miisa 36 307 ny traboina izay avy amin’ny tokantrano 9 024. Ankoatra ny faharavan’ny trano fonenana, maro koa ny sekoly nahitana fahasimbana. Trano fianarana miisa 08 ohatra no re fa niendaka tanteraka ny tafony. Raha ny fambolena indray, voalazan’ny BNGRC fa tanimbary mirefy 698 ha no dobo-drano. Faritra 04 no voamafy nandritra ny fandalovan’ity rivodoza ity dia Analanjirofo, Diana, Antsiranana ary Sava.

Maro ny tetezana lasan’ny rano

Tapaka ny RN5A mampitohy an’Ambilobe – Vohémar noho ny fahatapahan’ny tetezana  eo amin’ny 3,5 km tsy hidirana an’i Daraina. Tetezana roa lehibe no tapaka ao anatin’ny district Ambilobe noho ny fiakaran’ny rano tamin’ity rivo-doza GAMANE Ity. Tetezan’ny Mahavavy eo an-tampon-tananan’Ambilobe ary ny tetezan’ny Ifasy , CR Beramanja izay tapaka tanteraka Ilay tetezana . Olona Telo no fantatra fa Maty raha ny vokatra vonjy maika avy amin’ny ivotoerana miandraikitra n’y loza sy tandindinon-doza ato amin’ny faritra Diana. 17.000 ireo olona traboina. Ao Ambilobe no ankamaroany

Maro ny tetezana tapaka vokatry ny fiakaran’ny rano tsy misy fijanonany. Milaza kosa nefa ny avy eo amin’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa efa nihanalefaka ny heriny ary efa nivoaka ny sisintanin’i Madagasikara i Gamane, fa mitohy ny rotsakorana indrindra any amin’ny faritra avaratra.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page