Sosialy

Mitondra fanampiana ho an’ireo traboina ny rivodoza Alvaro I Etazonia

I Etazonia, tamin’ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) sy ny Programme Alimentaire Mondiale (PAM) ary ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ny Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes (BNGRC) eto Madagasikara, dia nanampy tamin’ny fanombanana sy fizarana fanampiana vonjy maika any amin’ireo faritra voakasiky ny rivodoza Alvaro.

Nandritra ny fidinana ifotony nataony, ny BNGRC sy ny PAM dia nanome vary, menaka ary sakafo be otrikaina milanja 4,7 taonina avy amin’ny USAID, ho an’ireo olona nafindra toerana miisa 6.764 any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana. “Io fanomezana io dia hanampy ireo nafindra toerana any amin’ny faritra saro-dalana hisitraka sakafo mahavonjy aina haingana ho azy ireo mandritra ny herinandro”, hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID/Madagasikara, Michele Russell. « Mety hisy fanampiana bebe kokoa ho avy tsy ho ela hananpiana ity fanomezana vonjimaika ity arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha. »

Ny PAM sy ny BNGRC dia mbola eo am-panaovana tombana ny filàna maika taorian’ny fizarana sakafo sy kojakoja samihafa vonjy maika. Mety hisy ny fizarana fanampiny, izay vatsian’ny vahoaka amerikana vola, arakaraka ny vokatry ny tombana heverina ho vita amin’ity herinandro ity.

Ny rivo-doza Alvaro, izay niditra an-tanety ny 30 sy 31 desambra lasa teo, dia namoizana ain’olona 19, olona 33.000 no traboina, ary nahatratra 17.000 mahery no tsy maintsy nafindra toerana, tany amin’ny faritra dimy eto Madagasikara. Ankoatr’izay, trano 6.500 mahery no dibo-drano, efitrano fianarana 15 no simba na rava tanteraka. Ny Faritra Matsiatra Ambony sy Atsimo-Andrefana ary Menabe no anisan’ny nitondra takaitra be indrindra vokatry ny rivodoza Alvaro.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page