Mpiara-miasa ny Agent de Santé Communautaire (AC) sy ny mpiasan’ny fahasalamana
Hiresaka mikasika ny fahasalaman’ny ankizy isika, ka ny asa ataon’ireo mpiasa sosialy ara-pahasalamana no hitondrana fanazavana. Resadresaka nifanaovana tamin’ny docteur Alexandre Boon, manampahaizana manokana mikasika ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Unicef ho an’ny faritra Afrika Andrefana sy Afovoany. Efa niasa teto Madagasikara koa izy talohan’izany.
Fanadihadiana notontosain’i Vonona Rakotondratsimba nandritra ny fihaonambe nokarakarain’ny Réseau des Médias Africains Pour la Promotion de la Santé et de l’Environnement (REMAPSEN) tao Lomé, Togo ny 23 Novambra 2023

Vonona R : Iarahana mahalala fa tsy afa-miala amin’ireo mpiasa sosialy misehatra amin’ny fahasalamana I Madagasikara, agent de santé communautaire no ahalalan’ny maro azy ary antsoina hoe AC. Araka ny hevitrao, mifaninana amin’ny mpiasan’ny fahasalamana ve sa afaka mifanampy amin’izy ireny ny AC ?
Alexandre Boon: Amin’ny ankapobeny ny fanentsenana ny asa tsy vitan’ny rafitra ara-pahasalamana, toy ny dokotera ny toeram-pitsaboana sns no antompisian’ny AC. Rehefa misy vondron’olona tsy afaka misitraka fitsaboana, noho ny tsy fisian’ireny toerana ireny, na koa noho ny halavirana eo amin’ny tanàna onenan’ilay olona miala amin’ireo CSB no ilaina ny fisian’ny AC. Nosy lehibe i Madagasikara, ary manana CSB manodidina ny 3000. Zava-dehibe izany kanefa tsy tokony adinoina fa ny 40% n’ny Malagasy no monina amin’ny tanàna miala 05 km amin’ny ivontoeram-pitsaboana. Tsy vitan’ny hoe lavitra fotsiny ny toeram-ponenany fa mety ho mianika tendrombohitra na mita rano izy ireo ao anatin’izay 05 km izay. Noho izany, tsy mifaninana amin’ny mpiasan’ny fahasalamana ireo mpiasa ara-pahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina na AC ireo.
Tokony omen-danja izy ireny, any amin’ireo tany lavitr’andriana iasany. Omena fiofanana tsara omana tsy tsara kalitao. Mila arahana tsara ny fomba fiasany tahaka ny atao amin’ny mpiasan’ny fahasalamana ihany.
VR: Inona avy ny sehatra idiran’ny sampandraharan’ny firenena mikambana raha ny fahasalamana no resahana?
AB: Amin’ny ankapobeny, sehatra maro no iasan’ireo sampandraharahan’ny firenena mikambana toy ny UNICEF, OMS, UNFPA, tsy ny fanohanana ireo mpiasan’ny fahasalamana ihany na ireo toeram-pitsaboana fa koa jerena manokana ny mikasika ny fitsaboana ireo aretina mpahazo ny vahoaka any ifotony. Antsoina amin’ny teny frantsay hoe « soins de santé primaire ». Iaraha-mahalala fa maro ny filan’ny mponina no tsy voavaly ka mila ny asa ataon’ireo AC ireo, isan’izany ny fanampiana ny olona na ny zaza tratry aretina tazomoka, ireo tratry ny raboka, ny VIH ary ny fanampiana ireo zaza tratry ny aretin’ny fisefoana lalina.
Noho izany, ny hanampiana ireo olona ireo hahazo ny fitsaboana fototra na « traitement de base” no ilàna ny AC ho fanampin’ny asa ataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana.
VR: Ahoana ary ny fahitanao ny ezaka ataon’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika momba ny fanampiana ny mpisehatra ara-pahasalamana ?
AB: Manao ezaka ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana toeram-pitsaboana eny ifotony toy ny CSBI sy ny CSB II, eo koa ny fananganana hopitaly manerana ny renivohi-paritany sy ny faritra manerana ny nosy. Ny tahirin’ny governemanta avy amin’ny alalan’ny banky iraisampirenena sy ny tahirimbola iraisam-pirenena no ahafahana manangana ireny fotodrafitrasa ireny. Hita koa anefa fa mandray an-tanana ny lafiny fahasalamana koa ny fiaraha-monina. Maro ny fikambanana ara-pivavahana ohatra no manorina toeram-pitsaboana, eo koa ireo kaominina manao ezaka manokana amin’ny fananganana ireny toerana ireny. Noho izany tsy tokony hipetraka ny hoe mifaninana ny AC sy ny mpiasan’ny fahasalamana fa tena mifameno ny asa ataony ho an’ny mponina. Izahay ato amin’ny firenena mikambana toy ny OMS, ny UNFPA ary ny UNICEF ohatra dia tsy mitsahatra manome fiofanana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana. Hatsaraina sy havaozina ny fandaharam-piofanana ho an’ireo rasazy sy ireo paramedy.

Izay ny tapany voalohany tamin’ny resadresaka nifanaovanay tamin’ny Dr Alexandre Boon, manampahaizana mikasika ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny ratsan’ny firenena mikambana misahana ny ankizy UNICEF ao Afrika Andrefana sy Afovoany, ary efa niasa teto Madagasikara ihany koa.



