Aretina mamany lava: Vehivavy 25 noraisina an-tanana tetsy amin’ny pavillon Sainte fleur anosy

Volana Oktobra 2024 – Miditra amin’ny andiany fahefatra sy fahadimy ny hetsika faobe famongorana ny aretina mamany lava. Antananarivo sy Ambovombe Androy ny toerana nanatanterahana ireo ezaka fanjairana ireo vehivavy rovitra tatavia miisa 50.
Fanadihadiana natao tetsy amin’ny Pavillon Sainte Fleur – HJRA Anosy ny 01 Oktobra 2024.
Tanora 14 taona ny zandriny indrindra. Tratra ny aretina noho ny vohoka aloha loatra. Mampalahelo ny zava-misy hoy ny solotena maharitry ny tahirin’ny firenena mikambana momba ny mponina na UNFPA, Josiane Yaguibou raha naneho ny fihetseham-pony izy manoloana ny aretina mahazo ity tanora Malagasy vao erotrerony ity.
Avy any Manakara ny ankamaroan’izy 25 mirahavavy. Tsiroanomandidy sy Antananarivo kosa ny fiavian’ny sasany tamin’izy ireo. Nokarohana teny anivon’ny fiaraha-monina izy ireo nialoha ny nahatongavany teto Antananarivo. Ny operation fistula no nanao izay asa fitadiavana ny marary izay. Manohana ny fitsaboana azy ireo ny UNFPA amin’ny fanolmezana ireo fitaovana sy kojakoja ilain’ny marary. Omen’ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka kosa ny fanafody ary ny fandraisana an-tanana. Maimaimpoana noho izany ny hetsika fandidiana ny olona tratra ny aretina mamany lava mandritra ny hetsika faobe toy izao, araka ny fanazavan’ny Dr Miaritoky Herindrainy tale misahana ny fahasalaman’ny fianakaviana eo anivon’nyministeran’ny fahasalama-bahoaka
Ny 20 Septambra no tonga tetsy amin’ny Pavillon Sainte fleur HJRA Anosy izy 25 mirahavavy. Ny faha 22 Septambra no natao ny fizahana ara-pahasalamana ary ny 24 Septambra no natomboka ny fandidiana, raha ny fanazavan’ny Dr hery Solofo Harimanana Eric sy Herilala, anisan’ireo mpandidy.
Manampy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny hetsika fandidiana faobe toy izao ny UNFPA. Manomboka any amin’ny fikarohana ireo marary eny anivon’ny fiaraha-monina ny asa. Tohizana amin’ny fandresen-dahatra azy ireo hotsaboina any amin’ny hopitaly. Raisina an-tanana ny fitaterana azy sy ny mpanaraka ny marary. Maimaimpoana ny fandidiana ary iantohana sakafon’ny marary mandritra hetsika faobe fandidiana toy izao. Tsy mijanona eo ny asa satria mila averina eny anivon’ny fiaraha-monina ireo vehivavy avy nozairina tatavia, hoy Josiane Yaguibou solotena maharitry ny UNFPA raha nilaza ny paikady entin’ny UNFPA hiatrehana ny aretina mamany lava izy.
Hetsika fanjairana faobe andiany fahefatra ity natao etsy amin’ny Pavillon sainte fleur HJRA Anosy ity. Mbola misy hetsika faobe anakiray fahadimy sady farany, atao any Ambovombe Androy amin’ity volana Oktobra 2024 ity. Hatramin’ny taona 2010 noho mankaty, vehivavy tratry ny aretina mamany lava miisa 12 291 no nodidiana. 615 ny vita fandidiana ho an’ny taona 2024, ka tsy tafiditra ao anatiny ireo vao notsaboina ny volana Oktobra. Tombanana ho 50 000 ireo vehivavy Malagasy tratran’ilay aretina manerana ny nosy. Vola mitentna 250 000 $ isan-taona no atokana ho an’ny fandaharanasa famongorana ny aretina mamany lava eto Madagasikara.
Azo sorohana ny aretina mamany lava
Antony mahasarotra ny ezaka fitsaboana ny fiafenan’ireo marary noho ilay aretina sokajiana ho mahamenatra. Miraraka tsy voizina mantsy ny amany na koa ny diky, arakaraky ny faritra rovitra ao amin’ilay vehivavy. Antony mahatonga izany ny fahateren’ny vatan’ilay vehivavy kanefa izy mihetsi-jaza ela loatra. Ny vohoka aloha loatra, fahasarotam-piterahana, tsy fiterahana any amin’ny tobim-pahasalamana misy mpitsabo mahafehy ny asa fampiterahana, ny herisetra ara-nofo mahazo ilay vehivavy – samy azo raisina ho antony avokoa.



