Fankalazana ny andro erantany ho an’ny fahasalaman’ny saina: Omen-danja ny sehatry ny asa

Antananarivo, faha 08 Oktobra 2024 – Nitondra fanazavana mikasika ireo fambara ahafantarana ny fahaketrahana ara-tsaina sy ny momba ireo ankizy mamefy tena (autiste) ireo mpisehatra momba ny fahasalaman’ny saina eto Madagasikara.
Salama ara-batana sy ara-tsaina ary amin’ny lafiny rehetra ny olona iray vao azo ambara ho manana fahasalamana hoy ny famaritan’ny sampandraharahan’ny firenana mikambana misahana ny fahasalamana na OMS. Vitsy ny mahafantatra ny atao hoe fahasalamana ara-tsaina. Miteraka fanilikilihana sy fanavakavahana ireo olona tratrany ny tsy fahafantaran’ny maro io aretina io. Ankoatra izay, vitsy ny mpisehatra sy ny toerana afaka mandray an-tanana ireo tratry ny fahaketrahana ara-tsaina. Maro ny ezaka tokony tanterahana hoy ireo solotena ny Humanité & Inclusion”. Ilaina ohatra ny fametrahana politika mazava sy tetibola voafaritra afaka ampiasaina ho an’ny fahasalaman’ny saina. Hatsaraina ny fotodrafitrasa handraisana ny marary. Jerena ny fomba hisitrahan’ny marary ny fanafody sahaza ny aretina mahazo azy. Miantefa amin’ny fitondram-panjakana ireo lafiny ireo.
ANDRAIKITRA IOMBONANA NY FAMPIROBOROBOANA NY FAHASALAMAN’NY SAINA
Manana andraikitra koa ireo mpisehatra tsy miankina. Ny fiaraha-monim-pirenena, ireo fikambanana samihafa ary ny olom-pirenena tsirairay. Fampahafantarana ny maha-zava-dehibe ny fahasalaman’ny saina, tsy fanilihana ny olona tratry ny fahaketrahana ara-tsaina ary fandraisana ireo olona eny anivon’ny fiaraha-monina rehefa avy nandalo fitsaboana. Sampanasa iray tsy azo ihodivirana amin’izany ny mpanao gazety, amin’ny maha-mpampita vaovao azy ireo.
Ho fandraisany anjara, nikarakara hetsika fizarana torohay mikasika ny fahasalaman’ny saina ny tambazotra iraisan’ny mpanao gazety mivoy ny fahasalamana sy ny tontolo iainana na REMAPSEN – Madagascar, ny Talata 08 Oktobra. Fiaraha-miasa tamin’ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) ka ny Humanité & Inclusion sy ny Autisme Féderation Madagascar (AuFEM) no vahinin’izy ireo, niaraka tamin’ny vovonana nasionaly misehatra eo amin’ny fahasalaman’ny saina. Fitondrana fanazavana momba ireo tranga fanairana ahafantarana ireo fambara fahaketrahana ara-tsaina sy ny fifefitena na “autisme” amin’ny fiteny frantsay no nifampizarana. Nambara taorian’izany ireo tokony ataon’ny fiaraha-monina manoloana ireo fambara ireo.
MAHASALAMA NY FIFANDRAISANA
Mitokatokana, tsy miresaka, mety hiafinafina mihitsy aza ireo tratry ny fahaketrahana ara-tsaina. Mandetika azy ireo anaty famoizam-po ny fanilihana azy. Fomba hanampiana azy ireo ny firesahana aminy, fankaherezana ary ny fampahafantarana fa tsy irery izy. Fanohanana ara-tsaina sy ara-piaraha-monina no iantsoana io fomba fiasa hisorohana ny aretina sady fandraisana an-tanana ny marary io. Manana rafitra maty paika hanatanterahana izany ny Humanité & Inclusion, amin’ny alalan’ilay tetikasa antsoina hoe HIFALI. Miantomboka amin’ny fanentanana ny olona hamantatra ireo fambara fanairana hamantarana ireo tratra ny fahaketrahana ka hatrany amin’ny fandraisana an-tanana. Mpisehatra maro no andalovana ao anatin’izay dingana izay, raha ny fanazavan’I Stacy Rakotondrazanany, psychologue – spécialiste en santé mentale et soutien psychosocial.
FANKALAZANA NY ANDRO ERANTANY HO AN’NY FAHASALAMAN’NY SAINA : TOERANA MARO HAHITANA HETSIKA
Hisongadina manomboka ny 10 – 12 Oktobra 2024 ireo hetsika hanamarihana ny andro erantany ho an’ny fahasalaman’ny saina. Eny Antanikatsaka Bemasoandro Itaosy ny toerana nosafidian’ny mpikarakara hankalazana izany amin’ny fomba ofisialy. Fanentanana momba ny fahasalaman’ny saina sy fanohanana ara-tsaina sy ara-piaraha-monina, fitiliana diabeta sy fizahana samihafa ary fampirantiana ataon’ireo fikambanana maro no hiseho eny.
Hanatanteraka famelabelarana mitondra ny lohateny hoe « le travail et le bonheur, quels liens ? » ny Société Malgache de Psychiatrie na SOMAP. Ao amin’ny Le Pavé Antaninarenina no hanatanterahany azy io ny 10 Oktobra 2024.
Hisy koa eny Antaninarenina ny 11 – 12 Oktobra 2024 ka ankoatra ny fampirantiana ataon’ireo mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny saina, hisy fandaharam-potoana antsoina hoe « art thérapie » ny antsoina hoe « détection burn out » izay hanomezana torohevitra ny mpitsidika sy handraisana an-tanana ireo mila izany.
Fotoana nosafidian’ny mpikarakara hanentanana ny mpiasa koa io andron’ny 11 Oktobra io. Fanentanana ao amin’ny orinasa DEER Cashemer Tanjombato momba ny lohahevitra hoe : “La santé mentale au travail » no hovelabelarina.
Tsy ny eto Antananarivo ihany no hankalaza, manatanteraka koa ry zareo any amin’ny faritra Boeny. Hisongadina ny fanentanana eny anivon’ny sekoly izay hotanterahan’ny ekipan’ny « service neuropsychiatrie CHU Androva Mahajanga ». Liseam-panjakana 02, ny « école islamique », ny « école Saint Gabriel” ary ny sekoly Adventiste no hotsidihana. Horesahan’izy ireo amin’izany ny maha-ratsy ny zava-mahadomelina, ny toaka, ny sigara ary ny “jeu video”.




