FanabeazanaToekarena

PAMF academy, tanora 15 no hisantatra azy

Tontolon'ny asa amin'ny baky sy famatsiam-bola na micro-finance

Antananarivo, faha 9 Febroary 2026 – Voasonia ny fiaraha-miasa teo amin’ny Première Agence de Microfinance de Madagascar (PAMF) sy ny ESCM Business School. Misokatra manomboka ny 10 Febroary ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra hiditra amin’ny andiany voalohany ao amin’ny PAMF Academy.

Maimaimpoana ! Tsy mandoa sarany ireo mpianatra 15 voasokajy handrafitra ity lalam-piofanana miompana amin’ny famatsiam-bola madinika sy ny raharaha momba ny banky ity. Fepetra takiana ny fananana diplaoma « licence ». Afaka misoratra anarana avokoa ireo rehetra manana io mari-pahaizana io fa tsy hanavahana. Fiofanana mampiray ny lafiny akademika sy ny arakasa no homena, ka hisy fotoana hanatanterahan’ny mpianatra fianarana asa avy hatrany, ahafahany mampihatra ny lesona norantoviny, hoy Claudine Hoareau, Tale jeneraly lefitra ao amin’ny ESCM Business school. Tanjon’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny hampivelarana ny fahaiza-manaon’ny tanora ahafahany miditra avy hatrany eo amin’ny sehatry ny asa. Eo koa ny fanamafisana ny fampifanarahana ny fampianarana ambony amin’ny tontolon’ny asa ary ny fampiroboroboana ny fahaiza-manao sy famoahana tanora mahavaly ny fitakian’ny asa ary farany, tantsoroka ho amin’ny fametrahana rafitra maharitra sy matianina eo amin’ny sehatry ny famatsiam-bola madinika eto Madagasikara.

« Maneho ny fahavononanay amin’ny fanorenana fifandraisana maharitra eo amin’ny tontolo akademika sy arakasa ity fifanarahana ity », hoy Guy Ratsimbazafy, Tale jeneralin’ny PAMF. Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo tanora ny fiofanana sy ahafahan’izy ireo miasa avy hatrany any anivon’ireo sampanasan’ny PAMF misandrahaka manerana ny nosy, hoy hatrany ny fanazavany. Hatreto, manana masoivoho 22 ity orinasa misehatra amin’ny famatsiam-bola ity. Faritra 10 no efa ahitana azy ary mikendry ny hanatrarany ireo faritra hafa eto Madagasikara izy ireo.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page