Réseau Malgache du Handicap : omeo lanja ny olona sembana

03 Desambra, andro iraisam-pirenana ho an’ny olona sembana.
Fotoana fanararaotra, hitondrana ireo soso-kevitra sy haitaky momba ny fanajana ny zon’ny olona manana fahasembanana ny fankalazana iraisam-pirenena toy izao. Ho an’ny Réseau Malgache du Handicap, ilaina ny fanomezan-danja ireo olona manana fahasembanana ireo amin’ny alalan’ny fanavaozana ny lalam-panorenana. Tokony ampidirina ao anatiny ny tenin’ny tanana, hoy Falihery Razafindrakoto, filohan’ny tambazotra.
Ankoatra izay, ilaina ny fijerena ny rafitra hitantanana ny fahasembanana eto Madagasikara. Nametra-panontaniana izy hoe : « sampanasa ve sa fitaleavana sa rafitra ambony kokoa no tokony hitantana ny olona manana fahasembanana ? », hoy hatrany ny filohan’ny tambazotra Malagasy, Falihery Razafindrakoto.
Fampiatiana ho amin’ny fampandrosoana
Lohahevitry ny fankalazana ity andron’ny 3 Desambra 2025 ity ny hoe : « Favoriser des sociétés inclusives pour les personnes handicapées afin de stimuler le progrès social » na raha adika malalaka amin’ny fiteny malagasy dia hoe : « Manangana fiarahamonina mirindra sy manome toerana ny olona manana fahasembanana, mba hisian’ny fandrosoana iombonana. » Iompanan’ny dinika rehetra ao anatin’ny fankalazana ny ady amin’ny fanavakavahana sy fanilikilihana ireo olona sembana. Mila ovaina ny fomba fijery sy fitondrana azy ireo. Ireo fijoroana vavolombelona no nahalalana fa tsy vitsy izy ireo no mahavita ny fianarany, manana asa ary afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fireneny. Nandritra ny dinika fifanakalozan-kevitra ho an’ny olona manana fahasembanana, nokarakarain’ny rafitry ny firenena mikambana ny 02 Desambra, tetsy Andraharo – Antananarivo no nahazoana ireo tsara ho fantatra ireo. Nihaona ireo solotenan’ny fikambanana ivondronan’ireo olona sembana, ireo fiaraha-monim-pirenena ary ireo mpanao gazety avy ao amin’ny Remapsen Madagascar. Andiany faharoa izy io ka tanjona ny fitadiavana ny fomba tsara indrindra hampiatiana ireo sokajin’olona ireo ao anatin’ny fiaraha-monina. Ankoatra ny fanehoana horonantsary fanadihadiana sy fijoroana vavolombelona, naneho ny talentany ireo ankizy marenina, avy ao amin’ny AKAMA. Nilaza i Falihery Razafindrakoto fa ilaina ny dinika ahitana ireo hevitra samihafa ahafahana miroso.
Tombanana ho 1,3 miliara ny isan’ny olona manana fahasembanana manerantany. Manana anjara amin’ny fampandrosoana ny fireneny izy ireo fa tsy vesatra araka ny hevi-draikitra eo amin’ny fiaraha-monina.









