Auditorium Elisa Leitao Soamanandrariny, Antananarivo faha 13 Desambra 2025 – Nakatona tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha 25 taona ny Radio Oasis.
Studio vaovao miaraka amin’ny fitaovana enti-miasa no tsangambato. Ny Ministry ny Serasera sy Kolontsaina Gascar Fenosoa Mandrindrarivony no nitokana izany sy nanokatra ny takela-bato fahatsiarovana. nanotrona azy ireo ny mpitantanasa avy ao amin’ny foibe adventista Madagasikara Afovoany, pastora Andriamparatiana Fanera, ny Tonia Mpanatanteraky ny foibe aty amin’ny Oseana Indiana, pastora Solofo Gerges Jean Mesmert ary ireo talena departemanta misahana ny fifandraisana, nahitana ny pastora isany Rakotonandrasana Rado sy Rasoanandrianina Mirado Elie.
Ny andinin-tSoratra Masina voarakitra ao amin’ny Apokalipsy 14 : 6 (DIEM) « Ary hitako nisy anjely anankiray hafa koa nanidina teny amin’ny habakabaka farany ambony. Io anjely io dia nanana hafatra soa maharitra mandrakizay hotoriny amin’izay monina ambonin’ny tany, dia amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena mbamin’ny olona samy hafa fiteny sy ny vahoaka isan-tokony », no nanoharan’ny pastora Andriamparatiana Fanera ny Radio Oasis nandritra ny toriteniny. Ny onjam-peo no fananan’ny fiangonana adventista fa ny hafatra entiny kosa natao ho an’ny vahoaka rehetra. Fitoriana filazantsara, fanabeazana, fahasalamana ary fampandrosoana ny mahaolona, ireo raha bangoina ny fandaharana sy fanentanana mivoaka ao aminy. « Tsy ny mpiasa no asongadina fa ny hafatra entiny » hoy hatrany izy nanohy ny hafatra. « Miankina amin’ny hafatra entiny no maha tsara na ratsy ny radio » hoy izy raha nampitaha ny onjam-peo amin’ny anjely mitondra hafatra sady manidina eny amin’ny habakabaka. Namaranany ny toriteny ny famaritana ny « anjely ». Nolazainy tamin’izany fa « voary ara-panahy » ny anjely ka tokony ho hita taratra eo amin’ny Radio Oasis sy ny mpiasa ao aminy izay toetra maha-izy azy ara-panahy izay satria miainga sy mifototra amin’ny ara-panahy ny asa rehetra atao ao. Manaraka izany, mitondra hafatra toy ny anjely ny Radio Oasis, ary hahatsapa fa « Zanak’Andriamanitra » tarihan’ny Fanahy Masina ireo rehetra manana andraikitra ao aminy. Nandravaka ny fotoana sy nanomana ny fon’ny mpanatrika nihaino ny Tenin’Andriamanitra ny antoko mpihira Feon’ny Faminaniana. Nandritsirotsy ny mpivory ny antsa tononkalo noventesin’i Ny Vetso.
STUDIO VAOVAO TSANGAMBATO
Nanome voninahitra sy nanakatona tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha 25 taona ny Radio Oasis ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina Gascar Fenosoa Mandrindrarivony. Nitokana ny takela-bato fahatsiarovana sy ny « studio » vaovao ho an’ny Radio ny tenany, niaraka tamin’ireo solotenan’ny minsitera sy ny mpanao gazety avy ao amin’ny Remapsen – Madagascar ary ireo mpitantanasa sy lehibena departemanta avy ao amin’ny fiangonana adventista. « Studio » vaovao, fitaovana vaovao, natokana hizarana hafatra soa ho an’ny mpiara-belona no tsangam-bato. Ampiasaina hanatsarana ny vokatra homena ny mpihaino. Nanamafy izay tanjona izay ny Pastora Rakotonandrasana Rado, Talen’ny departemanta ny fifandraisana sy ny fahafahana ara-pivavahana eo anivon’ny Fiangonana adventista aty amin’ny oseana indiana raha nilaza fa « mijoro ny Radio hanomana ny mpihaino ho amin’ny fiavian’i Jesosy ». Nambarany fa « tanana manampy sy mpanohana ho amin’ny fampandrosoana ny Radio Oasis ». Fotoana nilazan’ny Talen’ny departemanta ny fandroson’ny asa koa tamin’io fotoana nandraisany fitenenana io. « Raha teto Antananarivo no niainga ny Radio Oasis, 25 taona lasa izay, ankehitriny, miisa 19 izy manerana an’i Madagasikara ».
ANTSO HO AMIN’NY FANAVAOZANA
« Ho tahian’Andriamanitra hatrany anie ianareo » hoy ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa, nandritra ny lahateniny. Irinay, hoy izy, ny hisian’ny fanavaozana amin’ny lafiny rehetra eto Madagasikara. Manimba ny firenena ny kolikoly sy ireo fomba fanao tsy mampandroso. Miantso ny Radio Oasis hamokatra fandaharana momba ny fanavaozana ny tenany, ho fanampin’ny fanabeazana efa iantsorohan’ny onjam-peo.
Ankoatra ny fitokanana « studio » sy fanokafana ny takela-bato fahatsiarovana, notolorana « certificat » ireo mpanorina ny radio, ireo mpiasa namaky lay ary ireo rehetra efa nandalo teto amin’ny Oasis, hatramin’ny fotoana nanaovana andrana teknika hatramin’izao taona 2025 izao. Nitarika izay fanolorana mari-pankasitrahana izay Andriamatoa Ministra. Nitohy tamin’ny fitsidihana ny Radio Oasis sy dinidinika tamin’ireo tompon’andraikitra ny fotoana.
FIJOROANA VAVOLOMBELONA SY ANTSA FIDERANA
Feno ny fandaharam-potoana ny folakandro. Namaly ny antson’ny Radio Oasis ireo mpanakanto toy ny tarika Balsama, Vonivato, Antsan’ny Voary, Sambatra ary Ambasadora. Teo foana izahay hatramin’ny fotoana nanombohan’ny Radio Oasis ary mbola eto, hoy ireo mpanakanto. Nampahery ny mpihaino izy ireo nandritra izay 25 taona izay. Fantatry ny mpihaino koa ny fisiany noho ny Radio Oasis.
Nanana fotoana nijoroana vavolombelona ireo mpiasa tamin’io folakandro io. Niarahana nijery tamin’ny horonantsary ny tantara sy ny fanandramana niainan’ireo mpamaky lay. Ankoatra ireo, afaka nizara ny hafaliany sy ny vetsom-pony ny solotenan’ny mpihaino. Nanokana fotoana nitondrana am-bavaka ireo mpiara-miasa sy ny ho avin’ny Radio Oasis ny mpikarakara ity faha 25 taona ity ka ny Pastora Rasoanandrianina Mirado Elie, Talen’ny Departemanta ny Fifandraisana eo anivon’ny foibe adventista Madagasikara Afovoany sy ny loholona Solofo Tiana Alison no nanatanteraka izany. Nofaranana tamin’ny fanapahana mofomamy ny fotoana tamin’io Sabotsy 13 Desambra 2025 io.
Nandrindra ny fotoana nandritra ny tontolo andro ny Pastora Randrianarivony Herimanitra, Talen’ny Radio Oasis, notronin’ireo lehiben’ny sampanasa sy ny mpikambana ao amin’ny vaomiera mpanomana ny fankalazana.
Nanangona ny vaovao – Vonona Rakotondratsimba



























