Asa fanaovan-gazety sy fiahiana ny ankizy, mizara torohay ny Unicef

Lomé, 21 Novambra 2023 – mpanao gazety 60 mahery avy ao Afrika Andrefana sy Afovoany ary Madagasikara no miofana ao an-drenivohitr’i Togo. Lohahevitra 03 no dinihana dia ny “Fahasalaman’ny ankizy, ny fanaovam-baksiny ary ny sakafo”. Nosokafana ny 20 Novambra ny fihaonana ary hifarana ny 23 Novambra 2023. Mikarakara ny fiofanana ny tambazotra iraisan’ireo mpanao gazety misehatra amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana na REMAPSEN miaraka amin’ny biraon’ny UNICEF ho an’I Afrika Afovoany sy Andrefana.
Fampihenana ny taham-pahafatesan’ny zaza eto Afrika
Azo atao ny mampihena ny taham-pahafatesan’ny ankizy eto Afrika, hoy ny hafatra nomen’ny Tale ny Unicef any Afrika Andrefa sy Afovoany – Félicité TCHIBINDAT. Nidina ho 64,4 amin’ny zaza teraka miisa 1000 io taham-pahafatesana io teo anelanelan’ny taona 2017 – 2020. Na izany aza, mbola maro ny ankizy ampijalian’ny tsy fanjariantsakafo, marary noho ny tsy fanaovana vaksiny ary tsy misitraka fitsaboana sahaza azy ireo. Voalaza fa monina aty Afrika Afovoany sy Andrefana ny 14% n’ny ankizy manerantany. Ambony ny taham-pahafatesan’izy ireo satria ankizy 01 isaky ny 17 segondra no maty hoy hatrany ny fanazavany. Olana maro no miteraka io fidangan’ny taha io toy ny olana ara-tsosialy sy toe-karena, ny tsy fandriampahalemana, ny akon’ny fiovaovan’ny toetrandro ary vao tsy ela ny vokatry ny valanaretina covid 19. Manoloana izany, manana andraikitra ny mpanao gazety sy ny matihanina amin’ny haino vaky jery hanovana ny zava-misy ankehitriny, hoy hatrany ny fanazavany.
Mpanao gazety mampita vaovao sy manabe
Tsy mijanona ho amin’ny fampitam-baovao ihany fa koa manabe ny mpanao gazety ho fanatsarana ny fiainan’ny ankizy eto Afrika, hoy Bamba Youssouf, filoha ny REMAPSEN. Marefo ny zaza ka anjaran’nympanao gazety no milaza ireo tsara ho fantatra amin’ny raiamandreny mba hisy fiovam-pihetsika amam-pitondran-tena. Izay ny antony nanofanana ny mpanao gazety, hoy hatrany izy, raha nanazava ny tanjon’ny fihaonana atao aty Lomé.
Ny ministry ny serasera sy ny haino vaky jery ao Togo, Ramatoa Yawa Kouigan no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonana. Nialoha izany, nambarany ny andrasana amin’ny mpanao gazety aorian’ity fiofanana ity.



