Fahasalamana

Nizara ny fandaharanasany tamin’ny haino aman-jery ny Dr Ibrahima Socé Fall

Kandida amin’ny toeran’ny Talem-paritry ny OMS ho an’i Afrika, nizara ny fandaharanasany tamin’ny haino aman-jery ny Dr Ibrahima Socé Fall

Fahasalamana ho an’ny rehetra ny olon-drehetra ho an’ny fahasalamana”, izay ny teny filamatra entin’ny Dr Ibrahima Socé Fall ao anatin’ny fandaharanasany raha izy no voafidy hiandraikitra ny toeran’ny talem-paritry ny sampandraharahan’ny fahasalamana OMS aty Afrika. Asongadiny ao anatin’izany ny fampiroboroboana sy fiarovana ny fahasalamana, ary koa ny fanomezana fikarakarana ara-pahasalamana manara-penitra hanokatra ny firoboroboan’i Afrika. Nandritra ny webinaire natao ny 08 Aogositra 2024 no namelabelaran’ny Dr Socé Fall ireo tsara ho fantatra mikasika ny vina, ny iraka ary ireo paikady itantanany ny OMS Afrika raha toa ka izy no ho voafidy. Nambarany koa ny mampiavaka azy amin’ireo mpifaninana aminy. Toy izao ny fanazavana:

Hatao ny 26 hatramin’ny 30 Aogositra 2024 any Brazzaville – Congo, mandritra ny fivoriana faha 64 n’ny OMS aty Afrika ny fifidianana izay ho talem-paritra. Kandida 04 no voatazona hifaninana ka isan’ireny ny Dr Boureima Hama Sambo avy any Niger, Dr Richard Mihigo avy any Rwanda ary Dr Ibrahima Socé Fall naroson’i Sénégal sy Dr Faustine Engelbert Ndugulile avy any Tanzania.

Hifandimby hitafa amin’ny mpanao gazety mpikambana ao anatin’ny REMAPSEN izy ireo, ka anjaran’ny Dr Boureima Hama Sambo indray ny hitondra fanazavana mikasika ny fandaharanasany ny 14 Aogositra 2024 amin’ny 02 ora folakandro, ora eto Madagasikara.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page