TANTSOROKA ARA-PAHASALAMANA: FANAMPIANA 1 TAPITRISA DOLARA AVY AMIN’NY AMERIKANINA

Toamasina, 29 Avrily 2023 – Vaksiny sy fitaovana ara-pahasalamana mitentina 1 tapitrisa dolara no natolotry ny USAID hanampiana ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.
Ny hanatsara ny rojo famatsiana fitaovam-pahasalamana sy hahafahan’ny olona any amin’ny faritra lavitra hisitraka vaksiny ireo fitaovana natolotra ireo. Hanatsara ny fitehirizana sy ny fizarana vaksiny, indrindra ho an’ireo olona marefo eto Madagasikara ny fampitaovan’ny Sampandrahara amerikanina misahana ny fampandrosoana na USAID hoy ny taleny Anne N. Williams nandritra ny lanonana fanolorana natao tao amin’ny biraom-pahasalaman’ny faritra Atsinanana ny 29 Avrily teo. Nandray ny fanomezana ny ministry ny fahasalamam-bahoaka ny profesora Zely Randriamanantany. Nahitana “groupe eléctrogène, convertisseurs, vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herinaratra sy masoandro, fanafody ary fitaovana fiarovana samihafa no natolotra. Tanjona ny fampitsaharana ny firongatry ny valanaretina toy ny kitrotro, lefakozatra ary ny COVID 19.



