Voarara ny fanondranana harena voajanahary arovana

Tambajotra iray mpitrandraka sy mpanondrana pachypodium na Jabihy (baobab nain) an-tsokosoko no rava vokatry ny fiaraha-misalahan’ny minisitera misahana ny Tontolo iainana sy ny mpitandro filaminana ary ny mponina eny ifotony.
Teratany sinoa 1 ary malagasy miisa 3 no tratra nandritra ity hetsika ity. Miisa 650 ireo jabihy tra-tehaka tao amin’izy ireo izay misy karazany maro ary efa nomanina haondrana any ivelany ka tratehaka teny Ivato. Ny Fitsarana no hanapaka ny sazy ho azy ireo.
Voasokajy ao anatin’ny Tovana faha 2 ny CITES ireto karazan-kazo ireto, izany hoe voarara ny fitrandrahana ankoatra ny fahazoan-dalana manokana azo avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, raha ny fanazavana. Voatazona eny amin’ny fonja Tsiafahy izy 3 tratra ireto mandra-pitsarana azy.
Azo antsoina ny laharana maitso 955 raha mahita tranga fandikan-dalàna ara-tontolo iainana.



