Tontolo iainana

Fiarovana ny alan’I Vohibola III: Mandray andraikitra ny vehivavy

Tsy hanavahana sokajin’olona ny asa fiarovana ny ala sy ny zavamananaina ao aminy. Mifarimbona ireo mpiantsehatra. Eny an-kianja ireo vondron’olona ifotony.  Manohana azy ireo ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika. Ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana etsy ankilany mandrindra sy manamora ny fanatanterahana ny asa.

Fanadihadiana manasongadina ny andraikitra tanan’ny vehivavy eo amin’ny fitantanana ny ala sy ny fiarovana azy. Asa karoka natao nandritra ny fidinana tao anaty alan’I Vohibola III, kaominina ambanivohitra Ambohimitombo I, distrikan’Ambositra, faritra Amoron’I Mania. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Conservation International (CI) sy ny Vondron’Olona eny Ifotony na VOI Parc Zafimaniry, ny 25 – 30 Sepambra 2024.

Mpanao gazety: Fenitrarimanana – Vonona Rakotondratsimba

Nandika teny Malagasy – Frantsay: Tiana Andriamifidy

Nanatontosa: Vonona Rakotondratsimba

Alarobia faha 25 septambra 2024 – Amin’ny teo ora folakandro. Tafiditra anaty alan’I Vohibola III ireo mpisafo ala. “Misy hazo lavo io, alao sary malaky, …, tena midira any ambanimbany kokoa ianao” hoy Rasoambolaniaina Razanajao (Madame Naina) filoha ny VOI Parc Zafimaniry. “Hamarino na hazo nidaboka ho azy na notapahana…, asio marika” hoy ny toromarika nomeny ireo polisinala roalahy niaraka taminy. Maka sary, mandray an-tsoratra ny zava-misy ao anaty ala, ireo no asa natao vao tafiditra tao an’ala. Tsy tsaroany ny havizanana nandritra ny dia an-tongotra adim-pamataranandro telo, niainga tao an-tananan’I Ambohimotombo hatrany anaty alan’I Vohibola III. “Mankatoa ny baiko omen’I madame Naina izahay” hoy Ralaisoamiaramaka Fidèle, anakiray tamin’ireo polisinala. “Alainay sary izay zavatra tsy mety hitanay” hoy Rajaoarilaza Razafindrazanaka, polisinala. “Omenay an’I Madama ny sary ka izy indray avy eo no mampiditra ny torohay rehetra ao anaty fisy teknika” hoy izy nanohy. Niara-dalana tamin’ireto mpisafo ala I Zo Rakotoarison, teknisiana ao amin’ny Conservation International, mpitantana ny tandavanala Ambositra Vondrozo na COFAV sy ny mpanao gazety nanao ny fanadihadiana.

 

ala vohibola

Adin’ny roa no hanaovana ny asa fisafoana ny ala. In-telo isam-bolana ireo polisinala ao amin’ny VOI Parc Zafimaniry no manatanteraka ny asa. Ora enina isam-bolana ny faharetan’ny asa raha atambatra. Mialoha ny fidirana anaty ala, omanina mialoha ny olona hidina ifotony, ireo fitaovana ho entina toy ny fandraisana naoty ary ny GPS, karakaraina ny vatsy an-dalana. Fiomanana ho an’ny fitsirihana atao mandritra ny adin’ny roa. Manoritsoritra ireo dingana ireo ity fanadihadiana natao tany amin’ny alan’I Vohibola III ity ny volana Septambra 2024.

Mandrisika ny mpiaro zavamananaina ny fitiavana ny natiora

Vao maraina ny andro, miomana hiainga eto Ambositra ireo ekipa handeha hisafo ala. Mitarika azy ireo I Zo Rakotoarison, teknisiana ao amin’ny Conservation International, sy Rasoambolaniaina Razanajao na i Madame NAINA, filoha nitarika ny VOI Parc Zafimaniry. Niaraka taminy ny polisin’ala roalahy, Ralaisoamiaramaka Fidèle sy Rajaoarilaza Razafindrazanaka ary ny mpanao gazetin’ny Radio Oasis. Moto no fitaovam-pitaterana nampiasaina. Roso ny dia mihazo an’Ambohimitombo. Tanàna miala 48 km any atsinanan’Ambositra, amin’iny lalana mihazo an’Imady iny, no misy io fokontany sady renivohitry ny kaominina io.

12h 15 mn: Nigadona tao Ambohimitombo ny ekipa. Avy hatrany dia nanatona ny biraon’ny kaominina saingy tsy afaka namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety ny tompon’andraikitra tao rehefa nahalala fa ny fitantanana sy ny fiarovana ny alan’I Vohibola III no antondia. Notadiavina ny lefitry ny ben’ny tanàna, avy eo ny filoha ny fokontany. Tsy azo ny vaovao!

Hany hery niolomay nihazo ny aty ala. Nanondro tamin’ny 02 ora latsaka fahefany ny famataranandro.

Mitarika ireo mpisafo ala I Rasoambolaniaina Razanajao

Tontolo maitso, anaty alam-pary ravahan’ny feona riandano mikoriana mivarina eny an-dohasaha no hita ombieny. Rivotra mitsoka, namafa ny hatsembohany no nitsena ireto andiany handeha hisafo ala. Tsy nampiraika azy ireo ny fidaniky ny masoandro nandritra ny fiakarana mideza. Afak’hetaheta ny mpandeha rehefa nioty sy nifika fary. Indro tazana ny alan’I Vohibola, maitso mavana sy mikitroka, tetsy andaniny kosa ny Vohitr’Ambohimanjaka efa zary miha-ngazana noho ny tevy ala mifanesy.

Ao anatin’ny tandavanala Ambositra Vondrozo antsoina hoe COFAV no misy an’I Vohibola III ka ny VOI Parc zafimaniry no mitantana azy.  Miirefy 1691,36 ha ny velarany. Ala tantanan’ny Ny conservation international. Karazan-javamaniry 100 latsaka kely no hita ao. Misy varika karazany 09, manana bibilava sy karazam-borona betsaka koa izy ankoatra ireo biby araka ny karazany avy.

Toy ny ala rehetra, iharan’ny tsindry I Vohibola III, hoy Zo Rakotoarison. Ny tevy ala sy ny tavy no hita matetika. “Be dia be ny tsindry misy ato anatin’ity ala ity, ka ny fitrandrahana hazo ala no tena malaza. Tsy olona avy ao Ambohimitombo no manao azy fa avy any amin’ny fokontany hafa. Maka hazo ry zareo ary mivarotra ny hazo any Ambositra sy any Antoera. Misy koa ny tsindry madinidinika amin’ny fanaovan’ny olona tavy noho ny fambolena fary sy legioma toy ny tsaramaso ary ny voly vary” hoy ny fanazavany. Raha fintinina, antony ara-toekarena sy ara-kolontsaina no mitarika ny olona hanimba ny ala.

Notohizana ny dia. Tamin’ny 03 ora folakandro, tafiditra ny alan’I Vohibola III ireo mpisafo ala. Nanome toromarika I Madame Naina.

Mifanohana amin’ny fiarovana an’I Vohibola III ny lehilahy sy ny vehivavy

Tafiditra anaty fomba fiasan’ny Conservation International ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny lehilahy sy vehivavy, na ny miralenta, raha ny fitantanana ny ala no resahana. “Miavaka kely ny zava-misy aty Ambohimitombo” hoy Zo Rakotoarison “satria vehivavy no mitarika ny VOI”. Ny vahoaka eny ifotony no mitantana ny ala. Ampandraisina andraikitra izy ireo ka samy manana ny anjara asany ny mpikambana. Tantsoroka omen’ny Conservation International kosa ny fampitaovana sy ny fanomezana solon’andro.

Zo CI

Tamin’ny taona 2015 no voafidy ho mpitarika ny VOI Zafimaniry I Madame Naina. Naharitra 09 taona ny fotoana nitantanany hatramin’ny volana Septambra 2024, fotoana nanavaozana ny famindram-pitantanana ny ala. Nanomboka teo, mitana ny toeran’ny filoha lefitra izy. 63 taona I Madame Naina tamin’ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana tany anaty alan’i Vohibola.

Nambarany fa ny taona 2003 izy no niditra ho mpikambana VOI ka ny rainy no mpitarika tamin’izany. Vanimpotoana nafaitra ho an’ity reny ity ny taona 2014 satria maty ny vadiny. Izy no namelona ireo zanany 05 mianadahy. Herintaona taorian’izay, voafidy ho mpitarika ny VOI PARC ZAFIMANIRY ny tenany. Fanentanana ny mpikambana, fiantsoana fivoriana ary fanaovana tatitra any amin’ireo ambaratonga samihafa no andraikitra sahaniny. Misy fotoana izy tafiaraka amin’ireo polisinala toy ity dia natao tany an’alan’I Vohibola III ity. Taratra ny fifamenoan’ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny ady iraisana dia ny fiarovana ny ala sy ireo zavamananaina ao anatiny

Tsy anavahana sokajin’olona ny fampiharana ny lalàna

Na havako na inoko na inoko, rehefa tratra amin’ireo raha tsy rariny ataony izy dia ampiharako ny rindran-damina sy mandala amin’ny ambaratongan’andraikitra fandaminana azy”, hoy Madame Naina. “Vao nanomboka nandray ny andraikitra aho tamin’ny 2015, dia ny anadahin-dreninay tao andempitany no tratra nanao familavilana ny ala” hoy izy nanohy. “Tonga dia nampihariko ny lalàna ka. Ny fokontany aloha no nantsoina niaraka taminy nankety. Dia natao ilay vonodina.  Rehefa nanaiky ny vonodina ilay olona dia tsy niakatra tany amin’ny DREDD sy ny rano sy ala intsony ny raharaha” hoy Madame Naina nanamafy. Nahitam-bokany ny fomba nentina nifehezana ny famotehana ny ala satria “tsy afaka nandoro ny ala intsony izy sady voasazy namboly hazo no sady manatanteraka ny vonodina”. Tombony amin’ny fampiharana ny vonodina ny fisian’ny “ampahany mijanona ao amin’ny fokontany misy koa omeny anay ety ifotony hanaovana ny fampandehanan-draharaha”. Vehivavy sahy sady tsy manavakavaka I madame Naina. “Ny hena-maso ny ahy tsy asiana mihitsy. Ny marina ihany ny ahy no ijoroako” hoy ny namehezany ny fanazavana.

Vokany, “efa niova ireo fianakaviana nanao ny tsy fanao. Lasa mpiaro ny ala izy ireo noho ny fanampiana nomen’ny Conservation International. Nandrisika ny olona tsy hanimba ny aty ala koa ny fiofanana sy fanampiana nomen’ny CI. Nitombo isa ireo nanajary ny tany rehefa nampiato ny tevy ala”.

Tsy mitovy ny hery

Tsy mora ny asa satria tsy mitovy ny hery. Fakantsary sy kahié no asetry ny fitaovam-piadiana entin’ireo mpanimba ny ala, hoy ireo polisinala mirahalahy. Nadiva hilentika ny masoandro, namonjy ny akany ny vorona an’ala.

Vita ny asa fitsirihana ny ala tamin’io alarobia 25 Septambra io. Nitodi-doha nihazo ny tanànan’ambohimitombo ny ekipa. Nitsidika an’I Razanarinjara Pascaline, iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny VOI Parc Zafimaniry izy ireo. Teo am-panomanana ny sakafo ho an’ireto mpiaro ny ala ireto ramatoa Pascaline. Nanondro tamin’ny 06 ora latsaka fahefany ny famataranandro. Naroso ny sakafo, atody narahana lasary karaoty no kabaka. Nitohy ny fifampizarana momba ny asa fiarovana ny ala sy ireo karazan-javamananaina ao anatiny.

Mpitevy ala I Pascaline teo aloha. Niditra ho mpikambana VOI izy rehefa resy lahatra tamin’ny fikajiana ny ala, tamin’ny taona 2003. Nanomboka teo, najanona ny tevy ala, niova ho mpanajary ny tany ilay renim-pianakaviana. Mitondra fahasalamana ho an’ny olombelona hoy izy ny tontolo iainana madio. Nanampy azy ny fanentanana nentin’I madame Naina. “Mankatoa ny fitarihana ataon’I Madame Naina” hoy izy ny mpikambana eo anivon’ny VOI. Tsy nisalasala ramatoa Pascaline nanamafy fa “afaka mitarika koa ny vehivavy”. Nandroso ihany ny fotoana. Nipaika ny tamin’ny 06 ora hariva. Nandao an’I Pascaline ny ekipa ka namonjy an’I ramatoa Hanitriniala, mpamboly zanakazo.

Anisan’ireo nanimba ala I hanitriniala taloha. Niova izy taty aoriana. Ankehitriny, sarotiny amin’ny fiarovana ny alan’I Vohibola sy ny fanajana ny zavamananaina izy. Tsy mora anefa ny asan’ny vehivavy eo amin’ny fiarovana ny ala. Mitondra fitaovam-piadiana rahateo ny mpitevy ala, hoy ny fanazavany raha nanontaniana mikasika ny andraikitry mme Naina. “Nisy fotoana nahatratra olona namilavila ala I madame Naina”, hoy ny fitantarany. Notohizany ny tantara fa “nambanan’ilay olona tamin’ny famaky izy, kanefa na dia lehilahy matanjaka aza raha ambanan’ny olona famaky mety mba hitakemotra ihany”. Tsy nampihemotra an’I madame Naina anefa hoy ny fanazavany, ny olana nosedrainy nandritra ny fotoana nitarihany ny VOI Parc Zafimaniry.

Iny fanadihadiana iny tao amin-dramatoa Hanitrinala iny no namarana ny tontolo andron’ny 25 septambra. Nitodi-doha nihazo an’Ambositra ireo ekipa nahitana an’I Zo avy ami’ny CI, Madame Naina ary ireo polisinala roalahy sy ny mpanao gazetin’ny Radio Oasis Ambositra, Fenitrarimanana. Tamin’ny 10 ora alina izy ireo no tonga tao andrenivohitry ny faritra Amoron’I mania.

Mifanohana amin’ny VOI ny DREDD Amoron’I Mania

Alatsinainy faha 30 Septambra – Notohizana teto Ambositra ny fanadihadiana. Misy vehivavy mahery fo mpiaro ny ala ve eto an-drenvohitry ny faritra Amoron’ Mania? Nandom-baravarana tao amin’ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny tontolo ianana sy ny fandrosoana lovainjafy ny mpanao gazety. Nandray azy ireo ny Talem-paritra Ramatoa Rakotomahafaly Gilbertine.

DREDD

Vehivavy mpitarika amin’ny fiarovana ny ala ramatoa tale. Misokatra amn’ny fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety. Azo ireo vaovao notadiavina, voavaly ny fanontaniana napetraka. Fomba fiasa efa fanao ny fampandraisana anjara ny vehivavy hoy izy satria “tena nasongadin’ireo CI ny fiaraha-miasa amin’ny VOI amin’ny alalan’ny fomba fiasa mampanjaka ny miralenta” na “approche genre”. “Marobe koa ny fikambanam-behivavy miorina ao Ambohimtombo I ao izay tohanan’ny CI, na dia tsy mpikambana ao anaty VOI aza”. Nanambara ity tompon’andraikitra ao Amoron’I Mania ity fa “mavitrika amin’ny fiarovana ny ala ny vehivavy ao Ambohimtombo I ao”. Mifameno ny asa atao eny ifotony sy ny fandrindrana miainga avy ao amin’ny fitaleavam-paritra satria “laharam-pahamehana ho an’ny fitaleavam-paritry ny tontolo ianana sy ny fandrosoana lovainjafy Amoron’I Mania ny fikajiana sy fitazonana an’ Vohibola tsy ho potika” hoy Rakotomahafaly Gilbertine.

Namaranana ny fanadihadiana mikasika ny fiarovana ny alan’I Vohibola III ny fihaonana tamin’ny lehiben’ny sampan-draharahan’ny rano sy ny ala ao Amoron’I Mania, Narindrarisoa Rasolofondratsimba, vehivavy mpianala. Nambarany fa “tsy toy ny polsinala ny mpianala”. Tompon’andraiktra misahana ny farovana ny ala izy ireo. Nivoaka tamin’ny sekoly misahana ny fiarovana ny ala tao Angavoely Antananarivo. Ahitana ankolafy telo ny mpianala, ao ireo injeniera, ny teknisian’ny rano sy ala ary ireo antsoina hoe “chef triage”. Izy rehetra ireo no misahana ny fitantanana sy ny fiarovana ny ala.

Tsy mora ny asan’ny mpianala”, hoy ny fanazavany “indrindra fa vehivavy ny tena”. Misy risika tsy maintsy atrehan’izy ireo kanefa “noho ny fitiavana ny harena voajanahary sy ny fitiavana ilay asa dia tanterahana antsakany sy andavany ny asa maha-mpianala”. Notanisainy fa “marobe ny tranga hita tao an’alan’ Vohibola III. Tao ny fanaovana tevy ala, ny tavy, ny doro tanety ary ny fanaovana zaran’angady”. Nomarihany fa “anisan’ny kolontsaina eo amin’ireo foko Zafimaniry ny fanaovana tavy sy ny tevy ala, ahafahany mamboly sy manao vadin’asa toy ny fambolena fary hanaovan’izy ireo toaka gasy”. Ny fiaraha-miasa no ahafahana mahita vokatra. Efa nisy olona tratra nanao tevy ala tao Vohibola III noho ny fanomezan-tanana avy tamin’ny olona tsara sitrapo sy ny VOI. Nidina nijery teny ifotony ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny DREDD Amoron’I Mania, ny VOI, ny conservation international ary ny mpitandro filaminana. Tamin’ny volana Aogositra 2024 no nahitana io tranga io. Taorian’ny fanadihadiana sy ny fampiakarana ny raharaha teny anivon’ny fitsarana, ndoboka am-ponja ilay tratra namilavila ny ala.

Mpianala

Raha ny mikasika an-dramatoa Naina kosa, nilaza I Narindrarisoa Rasolofondratsimba fa “tena nahafa-po ny fitantanan’I Madame Naina ny VOI Parc Zafimaniry satria izy dia olona mavitrika sady matanja-tsaina, efa tao anatiny ny fitiavana miaro ny alan’I Vohibola III”. Tsy olom-baovao amin’ny fiarovana ny ala sy ny asan’ny VOI ramatoa Naina, “nandimby ny rainy izy tamin’ny maha-mpitantana ny VOI Parc Zafimaniry. Mahafinaritra ny miara-miasa aminy”, hoy ny fijoroana vavolombelona nataon’ity mpianala.

Nifarana ny volana septambra 2024 ny naha-filoha ny VOI PARC ZAFIMANIRY an’I Mme Naina. Sahy nilaza izy fa nahomby ny ezaka niarahany nanao tamin’ireo mpikambana. Tsy niala lavitra fa mbola mijanona ho mpiaro ny ala izy satria voatendry ho filoha lefitry ny fikambanana.

Amperinasa

Asa mafy sy mila fikirizana ny fiarovana ny ala. Mila tosika sy fanohanana ireo mpisehatra eny ifotony. Na eo aza ny ezaka atao hiarovana ny ala sy ny vokatr’izany, tsikaritra fa tsy ampy ny fotoana hidinan’ireo polisinala any anaty ala. Telo andro, izany hoe: ora enina isam-bolana. Tsy mahasahana ny fandaniana ny tohana ara-bola na solon’andro omena azy ireo. Miandrandra tantsoroka misimisy kokoa ireo mpisehatra ho antoky ny fahazoana vokatra tsara sady maharitra. Voamarina nandritra ny fanadihadiana fa ny fitiavana ny ala sy ny tombontsoan’ny taranaka no hery manosika azy ireo hiasa. Tsy sakana ho azy ireo ny fahasamihafana, na ny maha lahy sy ny maha vavy. Afaka mandray andraikitra ny rehetra ary mahita vokatra rehefa mifarimbona.

Vonona Rakotondratsimba

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page