FahasalamanaSosialyToekarenaTontolo iainana

Fiaraha-miasa eo amin’ny SPEAK UP AFRICA sy ny REMAPSEN : Niofana ny mpanao gazety

Niofana momba ny andraikitry ny mpanao gazety amin’ny fikarohana, fampandrosoana ary fanavaozana eo amin’ny lafiny fahasalamana ny mpanao gazety Ivoariana miisa 30, mpikambana ao amin’ny Remapsen Afrique.

Fiofanana natao tany Abidjan Côte d’Ivoire ny 30 Janoary – 01 Febroary 2025. Tanjona ny hanomezana fahalalana ampy ny mpanao gazety mba ahatakarany bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny fikarohana ny fampandrosoana ary ny fanavaozana amin’ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana aty Afrika. Fotoana nahafahan’ ny mpiofana nampitombo ny fahalalany ny mikasika ireo aretina voasokajy ao anatin’ny MTN na Maladie Tropicale Négligée koa ireo telo andro ireo. Nampahafantarina azy ireo ireo aretina mbola tsinontsinoavina kanefa misy akony ratsy eo amin’ny fahasalaman’ny mponina marefo. Ankoatra izay, nodinihana ny maha-zava-dehibe ny famatsiam-bola ilaina ho an’ny fikarohana momba ny fitsaboana aty Afrika.

Manana andraikitra ny mpanao gazety amin’ny famoahana lahatsoratra sy vaovao maneho ny zava-misy marina ka hahatonga ny mpanapakevitra sy ireo amin’ny sehatra tsy miankina ary ny mponina hanana fiovam-pihetsika ara-pitondrantena sy hanatsara ny politika ampiharina eo amin’ny firenena, hoy Bamba Youssouf filohan’ny Remapsen raha nandray fitenenana.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page