FanabeazanaSosialy

Fanabeazana ara-pananahana feno: Sakana ny tsy fahampian’ny fahalalana

Nitatitra ny asa nataony ny fikambanana IYALP

« Tsy resahana izy io. Maro ny tanora any Toliara tsy mahafantatra mikasika io fananahana ara-pahasalamana io satria ny raiamandreny tsy miresaka an’io mihitsy amin’ny zanany. Ny ankizy koa matahotra hanontany ny raiamandreny noho ny tsy fisian’ny fifampiresahana ao an-tokantrano » hoy Vola, solotenan’ny International Youth Alliance for Family Planning IYALP any amin’ny faritra Atsimo Andrefana raha nilaza ny zava-misy any Toliara. « Ahitana ankizy 10-11 taona mitondra vohoka any amin’iny faritra iny », hoy izy nanamafy. Raha ny taonany, mbola tokony hanohy ny fianarany ireo zaza ireo. Hatreto, vehivavy iray amin’ny telo no mitondra vohoka alohan’ny faha 18 taonany eto Madagasikara.

Fantatra ireo rehetra ireo nandritra ny fanatanterahan’ny IYALP ny tatitry ny tetikasa nataon’izy ireo tetsy Antaninarenina – Antananarivo ny 03 Jona 2025. Tetikasa niompana tamin’ny fivoizana ny fanabeazana ara-pananahana feno sy ny miralenta ka ny masoivohon’i Royaume Uni na ny Foreign commonwealth foreign development office no namatsy ara-bola. Faritra telo no niasana : Vatovavy – Atsimo Andrefana ary Androy. Voalazan’i Tendry Ramparaoelina, mpandrindra lefitry ny IYALP fa Tanora 333 no nanatrika ny fiofanana raha 307 ny raiamandreny. Ankoatra ireo mpitarika 50 teny anivon’ny fiaraha-monina no voaentana.

Hitohy ny fiaraha-miasa amin’ireo fokontany 5 nanatanterahana ny tetikasa. Hisy fanaraha-maso ny asa sy fanomezan-tanana ireo mila fanazavana na filana samihafa mikasika ity fanabeazana ara-pananahana feno ity hoy ny IYALP. Tsikaritra fa liana ny raiamandreny manoloana ny olana lalovan’ny zanany ka tsy vitsy izy ireo no mitady vahaolana amin’ny IYALP.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page