Fahasalamana

“Aller plus loin”: Hetsika hiadiana amin’ireo aretina tropikaly notsinontsinoavina aty Afrika

Olona maherin’ny arivo tapitrisa eran-tany no mbola mijaly noho ireo aretina tropikaly tsy voakarakara (MTN). Azo sorohana anefa ireo retina voasokajy ho MTN ireo. Aty Afrika no ahitana ny 40 % n’ny olona tratrany. Misy ihany anefa ezaka vita. Fantara fa misy firenena afrikanina roa amby roapolo no efa nahavita nanafoana aretina MTN iray farafahakeliny.

Fandrisihana vaovao no entin’ny hetsika “Aller plus loin” iadiana amin’ireo aretina MTN

Nampiavaka ny andron’ny 30 janoary 2025, nankalazana ny andro eran-tany iadiana amin’ireo aretina tropikaly natao tsinontsinona na MTN ny fanombohan’ny “Speak up Africa” ny fanentanana manao hoe “Allez plus lois“ na raha adika malalaka “Mandrosoa lavidavitra kokoa”.  Fomba fiasa amin’ity fanentanana vaovao ity ny fanomezana fitenenana ireo olona any tratra ny aretina any amin’ny fiaraha-monina misy azy any. Tanjona ny ahafahan’izy ireny mijoro vavolombelona sy mahazo tantsoroka ara-pitsaboana sy ara-tsaina. Mifanohana amin’ny ady amin’io aretina io ireo mpanakanto sy atleta ary ireo olobe any ifotony. Vokatra andrasana amin’ity hetsika fanentanana ity ny hahatonga ny ady amin’ny aretina voasokajy ho MTN ho laharam-pahamehana ara-pahasalamana sy ara-politika, mba hisy fampiasam-bola maharitra azo ampiasaina hiadiana amin’ireo aretina ireo.

Mampiavaka ny hetsika fanentanana « Aller plus loin » ny fomba fiasany midina eny ifotony. Ampandraisina anjara ny mponina. Manao ny fanentanana ny tanora amin’ny alalan’ny fikarakarana hetsika ara-panatanjahantena toy ny lalao basketball. Nisongadina ohatra ny lalao nokarakaraina ho an’ny tanora tao Bénin sy Sénégal. Sady nanao fanatanjahantena no nampahafantarina ny mikasika ireo aretina voasokajy ho MTN ireo tanora tao amin’ireo firenena ireo. Nanambara ny Speak Up Africa, tamin’ny alalan’ity hetsika fanentanana “aller plus loin” ity fa azo atao ny manafoana ny aretina MTN manerana an’I Afrika.

Isan’ireo aretina ao anaty lisitra MTN ny dengue, chikungunya, dracunculose ; échinococcose ; trématodoses d’origine alimentaire ; trypanosomiase humaine africaine ; leishmaniose ; lèpre ; filariose lymphatique ; mycétome, chromoblastomycose et autres mycoses profondes ; noma ; onchocercose ; rage sns.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page