Fahasalamana

Niofana momba ny zo sy lalàna mikasika ny fananahana ara-pahasalamana ny mpanao gazety avy aty Madagasikara sy Afrika Andrefana ary Afovoany

Baguida, Lomé Togo, faha 03 – 07 Avrily 2024 – Lohahevitra tsy voaresaka matetika ny mikasika ny zo sy lalàna momba ny fananahana ara-pahasalamana na Droit en santé séxuel et de la Reproduction (DSSR). Arakaraky ny zava-misy eo amin’ny firenena iray no mahatonga io lohahevitra io mora voizina na tsia. Ny lafiny lalàna, ny kolontsaina, ny fironana ary ny tahan’ny fanajana ny zo maha-olona no mamaritra izay fahasarotana na fahamoran’ny fikirakirana vaovao mikasika ny fahasalamana sy ny fananahana izay. Mahasahana ventinkevitra maromaro ny DSSR, toy ny Miralenta (Genre), ny fahasalamana ara-pananahana sy ny VIH, ny zo ara-pananahana, ny fahafinaretana, ny herisetra ary ny fahasamihafana.

Ireo fanamby ho an’I Afrika manoloana ny DSSR

mamono vehivavy maro aty Afrika ny homamiadana mahakasika ny fananahana. Isan’ireny ny homamiadan’ny nono sy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Voalaza fa ny fahataran’ny fitiliana ny aretina no mahatonga azy tsy ho voafehy. Eo koa ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, ny tsy fahalalanan’ny olona mikasika ilay aretina, ny fahantrana, ny tsy fananana fiantohana amin’ny aretina ary ny fanaovana tsinontsinona ilay aretina. Ankoatra ireo, hita ho tsy ampy ny mpiasan’ny fahasalamana mahafehy ireo karazan’aretina ireo aty Afrika. Tsy ampy toy izany koa ny fitaovana ahafahana mandray an-tanana ny marary.

Fanamby hatrehan’I Afrika koa ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny. Fantatra fa aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ny 99 % ’ny taham-pahafatesan’ny reny ka ny 2/3 no hita aty Afrika Atsimon’I Sahara.

Aretina tsy voaresaka matetika koa ny fahamombana. Amin’ny ankapobeny, ny 30 % ’ny olona voan’izy io no vehivavy. 20 % lehilahy, 10 % tsy voafaritra mazava ary 40 % n’ireo olona voa no misy ifandraisany avy amin’ny lahy sy ny vavy.

Manampy trotraka ireo rehetra ireo ny olana mikasika ny fampitsaharana antsokosoko ny vohoka, ny herisetra amin’ny endriny maro, indrindra ny fanolanana, ka mety ahazoan’ilay niharany zaza tsy nirina. Mety hiafara amin’ny fampitsaharana ny vohoka na famonoan-tena ity karazany ity.

Manana andraikitra ny mpanao gazety

Manoloana ireo olana mifaringotra amin’ny DSSR, manana andraikitra mampahalala vaovao araka ny fenitra takian’ny asa ny mpanao gazety. Asa fanaovan-gazety tompon’andraikitra, mizara vaovao marina, manaja ny zo maha-olona ary tsy mitanila. Ireo no antony nanosika ny IPAS Francophone nanofana mpanao gazety mikasika ny DSSR tao Baguida, Lomé Togo. Nizara 03 ny fiofanana. Ankoatry ny famakafakana ireo lohahevitra mikasika ny DSSR, nibahan-toerana ny fanamafisana ireo teknika fanaovan-gazety sy ny fampiharana natao isaky ny vondrona. “Manampy ahy amin’ny fanatanterahana ny asako ireo teknika nampitain’ny mpanofana taty Lomé” hoy Coulibally Omar Zié, avy any Côte d’Ivoire sady Tale Mpanatanteraky ny tambazotra REMAPSEN. Nambarany fa “azo ampiharina amin’ireo lohahevitra samihafa ny teknika fanaovan-gazety nampitain’ny Dr Adanvo Isaac Houngnigbe”. Notohizany ny fanazavana fa”hizara ny fahaiza-manao norantovina tao Lomé” ny tenany rehefa tafaverina any an-tanindrazana.

Ho an’I Madagasikara, mpanao gazety avy ao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy RNM sy solotena avy ao amin’ny Radio Oasis Antananarivo no tonga tao Togo nandritra ireo 05 andro nanatanterahana ny atrikasa. Liana ny mpiofana. Nafana ny ady hevitra isaky ny lohahevitra naroso. Adanvo Isaac Houngnigbe no mpanofana. Manampahaizana momba ny asa fanaovan-gazety siantifika sady manana mari-pahaizana momba ny asa fitsaboana ny tenany. Dingana maro no efa nolalovany nahatonga azy ho afaka hampita fahalalana amin’ny mpanao gazety mikasika ny lohahevitra ara-pahasalamana.

Fikambanana iraisampirenena misehatra amin’ity lohahevitra ity ny Ipas Francophone. Nikarakara fiofanana ho an’ny mpanofana izy ireo ny 03 – 07 Avrily 2024 teo. Atrikasa notontosaina tao Baguida Lomé, renivohitr’I Togo. Mpanao gazety maro no nanatrika ka isan’izany ny solotena avy aty Madagasikara. Maro an’isa tamin’ireo ny avy tamin’ny tambazotra REMAPSEN.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page